Dr Tovondrainy Ranoelson Edally, izay governora am-perinasa amin’izao fotoana izao ny fikambanana Toko Bey Telo, hoy ny fampitam-baovaon’ity fikambanana ity omaly. Ny Toko Bey Telo dia manameloka an’ireo olona miteny amin’ny anarany nefa tsy nahazo alàlana avy amin’ny foiben’ity fikambanana ity ary nanamafy fa tsy avy amin’izy ireo ny filazàna ao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook izay manohitohina ny mpitondra aty amin’ny faritra, hoy ny fanazavàna. Helohin’ity fikambanana ity ihany koa ny fiantsiana adim-poko ataon’ireo olona sasany ao amin’ity tambazotran-tserasera ity. Mpampihavana ny fikambanana ka miray fo ho an’izay rehetra hampandroso sy hahasoa an’i Toliara. Miantso ny rehetra mba ho tony ity fikambanan-drazana Tevondrone, Temilahehe ary Temitongoa izay nanao fivoriambe omaly maraina teny amin'ny foibe toerany, Andabizy, Toliara, izay notarihin'ny filohany, Manimbilaza Lucien na Robuste sy ny sekretera jeneraly, Edmond, ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia