ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly. Ity farany izay tsy hitan’ny karatra mihitsy tao anatin’ireo toe-draharaha mafana teto amin’ny Firenena, ary omaly indray vao niteny. Nilaza izy fa tsy nisy zava-patany sy ny Filoha ity raharaha Boeing 777 nomena laharana malagasy, saingy lasa any Iran ity. Rehefa avy nifampiaro ny governemanta tamin’ny alalan’ny Minisitra Valéry Ramonjavelo notronin’ireo Minisitra miisa roa sy ny tonia mpampanoa lalàna, dia niafara tamin’ny fanalana ny Minisitry ny fitaterana, rehefa tena mangotraka ny afera satria ahiana hisy fiantraikany goavana ara-diplaomatika, jeopolitika, sazy iraisam-pirenena,… ho an’i Madagasikara. « Tiako ny manamafy fa Atoa Filohan'ny Repoblika sy ny tenako tsy mahalala mihitsy ny zavatra nisy tamin'ny fanomezana alalana "certificat de navigabilité provisoire" na "Certificat d'Immatriculation Provisoire", tsy mahalala an'izany Atoa Filohan'ny Repoblika ary tsy mahalala an'izany ny tenako », hoy ny Praiminisitra i Ntsay Christian. Nolazaina hatrany fa nisy hosoka ny fampiasana ny dosie tamin'ity raharaha Boeing 777 nampitondraina laharana Malagasy 5R. "Misy ihany ny olon-dratsy, ny olona mpamitaka mahatonga an'izao rehetra izao ka izay no hanaovana fikarohana lalina", hoy i Ntsay Christian. Hosamborina sy hogadraina ary ve ny Minisitra teo aloha Valery Ramonjavelo ? Homena toromarika ny depiote IRMAR hampandany ny fandaniana ny fanenjehana hahafahana manolotra azy amin’ny HCJ (Haute Cour de Justice) ? Hatolotra ny fitsarana iraisam-pirenena noho ny toe-draharaha tafiditra amina heloka iraisam-pirenena ? Rehefa tsy misy ny iray amin’ireo dia heverina fa sinema sy famonoana afo ny fanesorana! Nambara mantsy fa nangataka fiaraha-miasa amin'ny Amerikanina dia ny FBI (Federal Bureau of Investigation), CIA (Central Intelligence Agency), Interpol ny Fanjakana ho fikarohana ireo tena atidoha, izay nolazaina fa tsy ireny efa namoahana fikarohana ireny ihany no mety ho tafiditra ao anatin' io.
MIAMPANGA TENA HO TSY MAHAFEHY NY FITANTANAN-DRAHARAHAM-PANJAKANA
Mahagaga sy mahatalanjona raha ny Praiminisitra Lehiben'ny governemanta izay Lehiben'ny fitantananan-draharaham-panjakana no milaza fa tsy mahafantatra na inona na inona momba ity raharaha ity. Efa maneho sy manamafy fa tsy voafehy intsony ny fitantanan-draharaham-panjakana, tsy voafehy ny governemanta,... Ny fahasalamana olana be sy krizy, ny fitaterana io isehoana zava-doza io, ny asa vaventy tapitra potika ny làlana, ny angovo sy akoran'afo krizy olana mandavan-taona, ny diplaomasia petatoko sy tsy misy vokany, ny toekarena sy sosialy miteny ho azy ny zava-misy sy ny tatitra Iraisam-pirenena samihafa,... Tsy tazana sy tsy hita soritra ny Praiminisitra amin'izany rehetra izany ka asa minia mangina sa ampanginina? Betsaka ireo toe-draharaha nafana tato ho ato toy ny faty olona mikararana fa tsy nahenoana ritsoka na kely aza. Nipoitra io ny raharaha Boeing, dia io fanalana sy fanadiovana ny tenany sy ny Filoha ho tsy maharaka na inona na inona no nivoitra. Sao dia tsy ilay minisitra irery no tokony hametra-pialana fa hatramin’ny Filoha sy ny Praiminisitra ?
Toky R