airtel

Politique

10-mars-2026

Fitantanana an'Antananarivo

Niongana i Harilala,

Sample post image

tsy nomena i Tojo, hiafara PDS…

10-mars-2026

Nitsimbadika ny rasa herintaona mahery taorian'ny fifidianana ben'ny tanàna nahalany an'i Harilala Ramanantsoa, kandidan'ny TGV, izay nalaza tamin'ilay hoe: "antsika ny tanàna", nampiseho fa kandidam-panjakana izay endriky ny fandikan-dalàna,... Foana ny fifidianana nisy teto Antananarivo, nofoanana ny vato rehetra azon'i Harilala Ramanantsoa, nodidiana haverina ny fifidianana. Ireo amin'ny ankampobeny ny didin'ny « Cour de cassation » eo anivon'ny Filankevi-panjakana omaly 09 marsa 2026 mikasika ny fifanolanana ara-pifidianana teto Antananarivo nitorian'ny kandida Tojo Ravalomanana ny kandidam-panjakana tamin'izany Harilala Ramanantsoa. Nivadika 0 ny vato azon'io kandida TGV io, ka milaza ny TIM fa nahomby ny paikady nentin'izy ireo nilaza fa nisy hala-bato ka nahafoana ny vaton'ny mpifandrina, araka ny fanazavan'ny mpisolovava Hubert Raharison. Nomarihiny fa fangatahana fanintsanana an'i Harilala Ramanantsoa no nangatahan'izy ireo saingy iny aloha ny didy dia manaiky ny TIM. Nanipika kosa io mpisolovava io fa didim-pitsarana io, efa nodidiana ny hamerenana ny fifidianana, dia makany amin'ny mpitondra Fanjakana ny fanatanterahana izay didy iray izay. Naneho kosa Atoa Julien Andriamorasata solontenan'ny kandida Tojo Ravalomanana fa tokony hotanterahana ao anatin'ny fotoana voafetra sy voafaritra ny lalàna ny fifidianana fa tsy tokony hitarazoka an-taonany. Tsy nomena ny TIM aloha izany ny fandresena na izy ireo aza no nitory ankoatra ny fitorian’ireo kandida maro tany aloha. Asa hanao ahoana andaniny ny hoavin-dRtoa Harilala Ramanantsoa ? Havela hipetraka am-pilaminana sa handeha ny fanenjehana ara-pitsarana toy ny afera SMGD-CNAPS izay nahatafiditra azy?
MIZOTRA AMIN'NY FANENDRENA PDS ?
Mbola betsaka ny baraingo eo anatrehan'ity fanapahan-kevitra ity. Ny efa mazava dia niongana i Harilala Ramanantsoa, tsy misy ben'ny tanàna,... Ao anatin'ny hafiriana no atao ny fifidianana ? Raha ny lojikan'io dia foana hatramin'ny filankevitra monisipaly. Raha tamin'ny fifidianana taloha misaraka ny lisitra ben'ny tanàna sy mpanolotsaina dia tsy rava ny filankevitra fa teo lisitra miaraka, ka ny lojikany dia rava hatrany. Ny Préfet no manao ny asan'ny "organe délibérant" na ny filankevitra raha ny lojikany. Misy dikany sy lanjany ny fandidiana famerenana fifidianana no didy nilatsaka fa tsy fampandresena ny kandida laharana faharoa. Tena mitombina be ny hirosoana amin'ny fifidianana amin'izao toe-draharaha izao ? Vao tamin'ny desambra 2025 teo no tokony ho nanao fifidianana loholona isika saingy najanona noho ny tsy mbola fahafenoan'ny fepetra hisian'ny fifidianana madio satria mbola tsy niova ny CENI. Iza no hikarakara ny fifidianana haverina? Ahoana ny hoenti-manana ? Hanaiky ny CENI indray hikarakara, hanaiky lisi-pifidianana feno hosoka indray, misy vola ho amin'ny fanontana ny bileta,... Raha amin'ny endriny ivelany dia lojika be ny tsy maintsy hizorana amin'ny fanendrena Filohan'ny delegasionina manokana na PDS mandra-pifidy izay ben'ny tanàna vaovao raha ho tanteraka. Efa nisy tranga mikasika didy famerenana fifidianana tamin'ny kaominina 24 nanerana ny Nosy tany aloha fa tsy tanteraka kanefa mbola tsy nafana be aza ny tsy fahatokisana ny CENI tamin'izany.

HIJANONA EO VE?
Hijanona ho tranga manokana ve ny teto Antananarivo sa hanao randran-tarihina satria CENI iray ihany no nikarakara fifidianana ? Betsaka mantsy ireo tranga toy ny fifidianana depiote tany Ambohimahasoa nanaovana antsojay an-dRtoa Christine Razanamahasoa, ny tao Ikongo nanaovana antsojay an'Atoa Brunelle Razafitsiandraofa, ny fifidianana ben'ny tanàna tao Antsirabe izay natsimbadika tamin'ny vato iray nanintsana an'i Maître Ravaka Hasiniaina, ny fifidianana ben'ny tanàna tao Toamasina nanintsanana an'i Roland Ratsiraka,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap