airtel

Politique

11-nov-2025

Fitondrana am-perinasa

Laharam-pahamehana 6 no tena maika

Sample post image

Miisa 6, raha tsiahivina ny napetrak’izao

11-nov-2025

fitondràna izao ho laharampahamehana hamahàna ny fototr’olana misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Voalohany ny fisitrahan’ny rehetra angovo. Faharoa, ny fisitrahan’ny rehetra rano fisotro madio sy fanadiovana. Fahatelo, ny fisitrahan’ny rehetra fahasalamana. Fahaefatra, ny fisitrahan’ny rehetra fanabeazana tsara kalitao sy mendrika. Fahadimy, ny famoronan’asa ho an’ny tanora. Fahaenina, fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana ho amin’ny fanavaozana. Mila vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny 60 andro moa, hoy ny baikon’ny filoham-panjakàna ankehitriny, Michael Randrianirina, tamin’izay fotoana izay, izany hoe nanomboka tamin’iny 29 oktobra iny. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly ary mila manana fitondran-tena mendrika amin’ny fanatanterahana ny asa ireo manampahefana, hoy ihany ny voalaza, raha fehezina. Araka izay maha laharampahamehana azy izay dia kasaina ho vahana mandra-pahavitan’ilay 60 andro nifanomezana izany ireo, raha iverenana ihany ny fanazavàna. Midika izany fa ireo aloha no noraisin’izao fitondràna izao ho maika indrindra ny tokony hamahàna azy. Mila milamina aloha ny lafiny angovo, herinaratra sy rano, fahasalamàm-bahoaka, fanabeazana tsara kalitao, famoronana asa ary izany rehetra izany no mitondra any amin’ny fahitàna avy eo hoe misy tokoa ve ny fiaraha-miasa sy mientana ho amin’ny fanavaozana ho an’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta sy ny mpitondra isan’ambaratonga? Mametraka fanontaniana ny mpanara-baovao maro ao anatin’izany hoe rahoviana ihany izany no atao ilay fikaonandoha? Namaly ny filoham-panjakàna fa eo am-pamolavolàna azy izao ny FFKM. Vao omaly koa moa no nanazava ny filohana antoko politika samihafa fa tsy azo atao ankamehana izany. Ny azo amehezana azy, araka izany, dia hita ho mizotra amin’ny fametrahana aloha ireo heverina ho laharam-pahamehana hatrany aloha ny fitondràna mijoro. Anjaran’ny vahoaka no mampitaha hoe izay ve no tena ilaina sa aleo ihany ny tamin’ny andron’ny «Werawera tsy maintsy mandeha»?
J. Mirija 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Mila manompo fokonolona fa

Card image cap
23-oct-2026

hatramin’izay ka miodinkodina eto isika»

Card image cap
22-oct-2026

olon-dRajoelina mamahan-dalitra ao !»

Card image cap
22-oct-2026

Miato, miandry ny hevitry ny HCC ny PAC

Card image cap
22-oct-2026

ity fitondràna ity raha te hametraka tsara!»

Card image cap
22-oct-2026

Misy mponina mitaraina noho

Card image cap