nahazo ny mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo, Babà Rakotoarisoa sy Clémence Rahariniriana ny vovonana politika Firaisankiana, ny sabotsy teo. Tsy tafapetraka anefa ny fitoriana noho ny tsy fisian’ny mpiandry raharaha teny amin’ny Tribonaly Anosy rehefa tonga teny ireo olomboafidy avy amin’ny Firaisankiana, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Voadona tamin’ny lohany ary nodarohana ireto mpanolontsaina roa ireto araka ny fantatra, hoy ny fanazavàna. Nogiazan’ireo olona nisambotra azy, izay nanao fanamiana sivily teny Analakely, ihany koa ny finday miisa 3 an’i Baba Rakotoarisoa ka miahiahy ny vovonana Firaisankiana sao misy manao zavatra hafahafa any. Mbola tsy mazava ihany koa hatreto ny toerana tena nitondrana azy mianadahy ireto saingy tonga dia niakatra fampanoavana na «parquet» ny zoma ihany, izay nampangaina ho nitarika hetsika tsy nahazoana alalana teny amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona, raha ny tsiahim-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija