airtel

Politique

16-oct-2023

Fiverenan’ny tafika amin’ny vahoaka Sesilany ny antson’ireo

manamboninahitra ambony

Sample post image

Tsy mpanongam-panjakana ny foloalindahy fa mpandamina sy mpandrindra ary tena mipetraka amin’ny toerana hoe

16-oct-2023

tandroka aron’ny vozona, manda aron’ny tanàna, hoy ny jeneraly Désiré Ramakavelo, izay minisitry ny fiarovam-pirenena ny taona 1991 hatramin’ny 1993. Ho an’ny tanindrazana, hoy izy, no nilokalokanao tao amin’ny akademia miaramilan’Antsirabe. Iza no tanindrazanao? Tsy azo lavina izany fa ny vahoaka 27 tapitrisa no tanindrazanao, hoy ihany izy nampiaka-peo. Teny ankilan’izay ihany koa dia naneho ny fahagagany manoloana ny kisambotsambotra ataon’ireo lazaina fa mpitandro filaminana etsy sy eroa ao anatin’izao toe-draharaha izao ny jeneraly misotro ronono, Ferdinand Razakarimanana. Tsy mampino, hoy ny fanazavany, raha mpitandro filaminana no tsy mahafehy fisamborana olompirenena toy ireny na koa manao herisetra amin’ny alalan’ny fanipazana baomba mandratra toy ireny amin’ny olompirenena manao hetsika am-pilaminana. Nanomboka sesilany ny azo ambara hoe antso na fanehoan-kevitra teo anivon’ireo manam-boninahitra manana ny lazany eo anivon’ny tafika malagasy tamin’iny herinandro iny ny amin’ny mba tena iverenan’izy ireo amin’izay fiarovana ny vahoaka malagasy izay. Isany nilaza koa moa ny kolonely Charles Andrianasoavina, izay voalaza fa manohy ny fitsaboan-tenany atsy La Réunion amin’izao fotoana izao taorian’ireny takaitra nahazo azy nandritry ny tetezamita 2009-2013 ireny, fa an’ny vahoaka ny miaramila ary hiverina amin’ny vahoaka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap