airtel

Politique

01-sept-2025

Fomba itantanana ny firenena ankehitriny

«Mampitombo ny fahantrana raha mbola io foana no itaizana vahoaka»

Sample post image

Lasa ohatran’ny mikaroka ny fomba iarovany tena fotsiny ilay fitondràm-panjakàna,

01-sept-2025

hoy ny mpamakafaka politika, Faniry Razafimanantany, mba tsy hahatonga fanosoram-potaka na fanomezan-tsiny na fanombanana hoe tsy nandray andraikitra. Lasa miaro tena izy dia ireny fanehoan-kevitra misilifatra ohatran’ny hoe «empoisement» ireny no vokany, hoy izy. Miteny foana ny tomponandraikitra ary maneho sary hoe midina ifotony nefa rehefa henoina ireo lasibatra dia tena nijalijaly mihitsy tamin’ny fandaniam-bola tany amin’ireo hopitalim-panjakàna. Ilay fandraisana andraikitra amin’ny maha fitondràna ny fitondràna, izay misy rafitra, manana fahafahana na «moyen», manam-baovao na «information» azo antoka ary tokony ho tonga voalohany eny an-kianja amin’ny fotoana hitrangàn’izay miseho, na Ikongo io na Ambohimalaza na Atsimo atsinanana na boeing 777 na Antsiranana, Mahajanga, Toliara dia misy andraikitra tandrify ny fitondràm-panjakàna fa adino na iniana atao mitarozaka ve ny fandraisana fanapahan-kevitra dia izao no iafarany? Ny mahatonga ny olona manome tsiny izao dia lasa ohatran’ny hoe satria famaranana na «final» dia misy fahafahana na «moyen». Marina fa misy ny hoe «Pack» na tetibola 2.000.000 Ariary napetraky ny fitondràm-panjakàna amin’ny alalan’ny fiadidiana ny repoblika sy ny minisitera ho any Nairobi, Kenya, dia izao izany tsy ampy ny fiaramanidina iray dia ampiasa fiaramanidina fanindroany. Misy fandaniana marobe izany vokatr’izay ho raisin’ny fitondràm-panjakàna an-tanana. Mila avoaka amin’ny fomba mangarahara hoe ohatrinona ny vola hanampian’ny fitondràm-panjakàna amin’ny fandaniana mankany Nairobi? Ny azo antoka dia tsy vola an-jato tapitrisa io fa tsy maintsy tafakatra amina miliara. Izay no mahatonga ny adihevitra hoe maninona tamin’ny raharaha nahafatesan’olona, nihetsika ny fitondràm-panjakàna, tokony nisy nataon’izy ireo nefa tsy tandrifin’ny fanapahan-kevitra tena tokony noraisina izany? Tena sahirana amin’ny fidiran’ny mpianatra izao ny vahoaka malagasy. Isika miteny izao, mbola tsy nahavita namerina nanoratra anarana ny zanany na nanoratra anarana ny zanany hiditra an-tsekoly ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy satria mbola mitady vola nefa manomboka ny 2 septambra no efa miditra an-tsekoly ny zaza malagasy. Mbola tsy manana fitaovam-pianarana akory amin’izao fotoana izao. Tsy mbola fantatra hoe aiza no hampianarina? Takonan’ilay fitondràm-panjakàna amin’ny werawera ny tokony ho laharam-pahamehana sy tena fampandrosoana mba hanatsaràny ny sariny. Ohatran’ireny hoe lalana 8km amin’ny 265km amina lazaina fa lalambe na «autoroute» ve dia ireny no atolotrao ny vahoaka? Izany no tokananao miaraka amina filoham-pirenena afrikanina izay nahavita fotodrafitrasa ngezabe. Ireny no entinao hitokana lalana 8 km tsy «autoroute» akory,...
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

Maro no miha resy lahatra ankehitriny

Card image cap
04-déc-2025

Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena

Card image cap
04-déc-2025

Voatendry ho mpanolo-tsaina maharitry

Card image cap
04-déc-2025

aloha noho ny fifidianana tsy azo antoka…

Card image cap