airtel

Politique

10-janv-2025

Fotoana tokony hanolorana vahaolana izany izao

«Resaka lojika fa tsy fanonganam-panjakàna no hitambarana»

Sample post image

Resaka lojika fa tsy fanonganam-panjakàna no hitambaran’ny herivelona rehetra, hoy ny filohan’ny ACS

10-janv-2025

na ny Firaisankinan’ireo filankevitra ambonin’ny tetezamita, Pr Ralison Roger. Ho hita eo, hoy izy, izay ho vokany avy eo. Raha misy tonga saina hoe toa tsy mety intsony tokoa izany zava-misy eto amin’ny firenena izany fa andao hiaraka amin’ireto, inona no olana? Tamin’ny fotoan’androny nisy izany Herivelona Rasalama izany. Nisy izany vondrona manohana an’i Andry Rajoelina izany. Teraka ho azy eo izany, hoy hatrany ny tenany. Efa nisintona lakolosy izahay teo anivon’ny Randrana sendikaly, hoy kosa ny sekretera jeneralin’ity sendikan’ny mpiasa iray ity, Barson Rakotomanga, hoe ny raiamandreny am-panahy rehetra manao ireny fanambaràna ireny. Ny politika efa minainaina amina resaka fifidianana, hoy izy. Ny Transparency international aza nanentana ny rehetra tsy hanaiky ny valim-pifidianana. Isan’ny nahatonga anay maro anatin’ny KIMM na Komity iombonan’ny mpiasa malagasy izany satria izahay mahita hoe mankany amina risikana krizy lavabe eto amin’ny tany sy ny firenena. Isika mahalala hoe ny miaro no tsara indrindra noho ny mitsabo. Izay no antony hiantsoana ny rehetra na raiamandreny ara-panahy na manam-pahaizana na mpanao politika na iza hoe andao aloha hivory, hivondrona dia amin’izay fotoana izay mametraka hoe inona no paikady hamahana ny olana? Efa ny raiamandreny am-panahy mihitsy izao no mampiaka-peo. Efa tena mafy ny hafatra omen-drizareo. Fotoana tokony hanolorana vahaolana izany izao. Rehefa mipoitra ny vahaolana isorohana krizy dia mazava ho azy fa tsy maintsy hanatona ny fitondràm-panjakàna. Handray izany moa ny fitondràm-panjakàna tsara. Tsy handray izy dia ho hita eo ny ho tohiny, hoy hatrany ireto herivelona ireto.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap