Raha ny marina dia taorian’ny fandraisan’ny Kolonely Michael Andrianirina ny fahefàna, hoy ny FLN na Front de libération national, no tokony nipetrahan’ny antsoina hoe fahefàm-panjakàna ara-drariny. Rariny araka ny tolona, hoy ny filohan’izy ireo, Iada Jean Pierre, eto no resaka dia ny fandravàna ny repoblika faha 4. Rehefa nitranga nihemotra tamin’izay nefa, hoy izy, ny filohan’ny fanavaozana dia iarahantsika mahita fa lasa ireo olon’ny fitondràna teo aloha no miha mahazo laka hatrany ankehitriny. Tsy azontsika heritreretina koa hoe tsy ho tonga amin’izany satria ireo olona ireo dia olona nanana traikefa sy fahaiza-manokana amin’ny fisolelahana mpitondra fanjakàna mba hahafahany mifikitra amin’ny toerany sy seza nomena azy mba hahafahany manohy ny asa fahazaran-dratsiny hatramin’izay dia ny fanaovana kolikoly sy tsimatimanota. Tsy gaga isika ankehitriny raha ohatra ka na misy aza ny lamina antsointsika hoe fanavaozana kanefa ireo olona ireo tsy niala amin’ny toerany dia mbola mitohy ihany ilay tsimatimanota, fanondrànana harena an-kibon’ny tany eto amin’ny firenena, kolikoly rehetra. Tokony hiverina amin’ny fitakian’ny tolona isika! Rariny loatra izany dia ny hoe aleo ravàna ny repoblika faha 4! Hatsangana ny fahefàm-pahefàna, mifanaraka, manome ny endri-pitalomana na fitakiana rehetra tamin’ny tolona dia miara-mametraka ny repoblika manaraka eo avy eo ny rehetra. Misy ambaratonga ny fizotran’ny fitondràna. Taorian’ny fandraisana fahefàna no tokony nandeha ny dinika politika na fifampiresahan’ny samy malagasy hahafahana mametraka fahefàna mifanaraka amin’ny tolona na «pouvoir légitime». Izay no manomana ny fikaonandoham-pirenena iarahan’ny rehetra tsy an-kanavaka ahafahantsika mametraka vinam-piarahamonina vaovao handrafetana lalàmpanorenana vaovao hitondràna ny tany sy ny firenena. Efa rava ny repoblika faha 4 tamin’ny fotoana nitenenan’ny filohan’ny fanavaozana teny Ambohitsirohitra hoe rava ilay izy. Niverina nitsangana indray nefa izany rehefa niteny izy hoe tazonintsika indray ilay izy. Teny iram-bavan’ny tompom-pahefàna no andrasana dia rava ny repoblika faha 4 no dikan’izany. Fehezin’ny iraisampirenena isika rehefa mitazona repoblika faha 4 toy izao, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija