Ampihinanana hanina tsy fanta-pototra ankehitriny ny vahoaka malagasy, hoy ny FLN na Front de libération national. Ny fanambaràn’ny filohan’ny fanavaozana, hoy ny filohan’izy ireo, Iada Jean Pierre, dia tsy nahenoana mihitsy ny fototr’ireo vola zarazaraina amin’izao fitondràm-panjakàna izao. Namafisiny, hoy izy, fa tsy vola avy amin’ny fanjakàna tahakan’ilay nambaran’ny mpanolontsaina iray izay nilaza fa ambin’ny tetibola tsy lany tamin’ny taon-dasa ireny zarazaraina ireny. Nilaza ny filoha fa misy an’ireo afrikanina izay tia azy manome an’ireny vola ireny kanefa izy tsy afaka hanambara mihitsy hoe iza izany dia inona no antony hanomezan’ilay olona azy vola. Ny fantantsika fotsiny dia hoe na inona itiavan’ilay olona azy, mety noho ny asany io, na inona dia tsy maintsy misy tambiny ny fitiavana. Mpifankatia aza, fara-faha keliny, oroka no tambin’ny fitiavany. Misy tambiny daholo, araka izany, ireny fanomezan’olon-tsy fantatra ireny. Isany ny fahafahany mivezivezy amin’ny Jet izay andaniana kerozenina tsy toko tsy forohana. Eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakàna dia tena tsy azo atao mihitsy izany hoe tsy volam-panjakàna no hamelomana fanjakàna izany. Ny firenena anjakàn’ny mafia no mivelona amin’ny volan’ny mafia fa mamelona ny firenena amin’ny volam-panjakàna. Izany no mampanahy be ankehitriny. Tsy ny fizaràna ilay vola na ny fizarana izany ho an’ny vahoaka fa ilay fihaviany sy ny tambiny andrasan’ilay mpanome azy. Rehefa nanongam-panjakàna toy io ianao dia tsy maintsy ho lazain’ny afrikanina fa mahery fo na «Héro» ary milaza izy fa izy mihitsy aza no tokony hanao toy ny ataon’ny firenenao. Rehefa tonga nefa ny fotoana tsy maintsy hisian’ny fanapahan-kevitra mahakasika ilay firenenao dia mbola tavela anatin’ny firenena voasazy foana ianao. Misy fihatsaràm-belatsihy goavana izany amin’izay fotoana izay ataon’ireo mpitondra fanjakàna ireo. Fanovàna, fanarenana ifotony an’i Madagasikara no nimatimatesan’ny tolona niarahana tamin’ireo Gen Z nanomboka ny septambra 2025. Fanovàna rafitra fa tsy nisy resaka fanavaozana izany nangatahina teny. Isan’ny nangatahana koa ny fanalàna an’ingahy Rajoelina sy ny forongony ary ny fandravàna lalàmpanorenana. Ny fanalàna an’i Andry Rajoelina aloha hatreto no tanteraka! Manantena ny hisian’ny fikaonandoham-pirenena ny rehetra. Hita ankehitriny fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy nefa izany fa mihemotra hatrany. Raha neverina hatomboka eny amin’ny fokontany ilay izy dia lasa natomboka amin’olona miisa 7. Hatreto, tsy misy fiomanana amin’ny fikaonandoha eny amin’ny fokontany, na lafiny fotodrafitr’asa io na foto-drafitr’olona na fandaharam-potoana ary manjary ohatran’ny fivoriambem-pokonolona na fivoriambem-pokontany no hisy fa tsy adihevitra na fikaonandoha eo anivon’ny fokontany. Voalaza tsinona fa fanapahan-kevitra anivon’ny fokontany no aravina hiakatra any amin’ny kaominina ka hatrany amin’ny distrika sy faritra. Rehefa inona izany no ampidirina ny hevitra tapaka tamin’ireny fikaonandohan’ny tanora ireny? Tokony handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena daholo nefa ny vahoaka sy vondron-kery rehetra, hoy hatrany ny FLN!
J. Mirija
Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana
Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »