airtel

Politique

30-janv-2026

Front de libération national

«Sady tsy ara-dalàna no tsy ara-drariny

Sample post image

no tsy ara-kolontsaina eto ny SADC»

30-janv-2026

Ny tondrozotra na «feuille de route» tamin’ny taona 2009 avy amin’ny SADC no nitondra ny tany sy ny fanjakàna sy nanoritra ny lalana andehanan’ny tany sy ny fanjakàna nanomboka tamin’io fotoana io hatramin’ny androany, hoy ny Front de libération national na FLN omaly. Io no mbola nametrahana ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4, izay mbola tsy tontosa hatramin’ny farany hatramin’izao ny fametrahana ireo andrim-panjakàna rehetra voalaza anatiny, hoy ny mpandrindra nasionalin’ity antoko politika ity, Iada Jean Pierre. Ohatrany hoe mbola manan-kery foana izany, hoy izy, noho izany, ilay tondrozotra hatramin’ny androany. Nanenenan’ny FLN ny tsy niteny tamin’izany fotoana izany. Navela nanjakazakàn’ny vahiny ny fepetra hitantanana ny firenena tamin’izany fotoana izany. Ankehitriny kosa ny FLN dia tsy manaiky intsony ny hidiran’ny vahiny, na olona vahiny io, na fikambanana io, na vondrona vahiny io, amin’ny famahàna ny olana misy eto Madagasikara satria olana ara-panjakàna, olana ara-pahefàna, izay fahefàna avy amin’ny vahoaka malagasy,no misy eto. Ny vahoaka malagasy ihany no tompon’ny fahefàna eto amin’ny tany sy ny fanjakàna tsinona. Ny vahiny rehetra miseho ho mampiasa ny fahefàn’ny vahoaka malagasy, noho izany, indrindra fa amin’ny fomba fametrahana ny olona hitondra ny firenena, dia tsy eken’ny FLN mihitsy. Izay no mahatonga anay manohitra tanteraka ny fandraisan’ny SADC anjara amin’ny famahana ny krizy eto. Ny mampalahelo dia ireo malagasy na vondron’olona miazakazaka any aminy mitondra ireo fehin-kevitra lazaina hivoahana amin’ny krizy dia toy ny midika fa ny SADC indray no tompon’i Madagasikara ka tokony hampahafantarina ireo fanehoan-kevitra rehetra mba hivoahana amin’izao krizy izao. Ny malagasy tompoko no tompon’i Madagasikara! Sady tsy ara-dalàna no tsy ara-drariny no tsy ara-kolontsaina malagasy hamaha olana eto ny SADC. Manana ny hoe «Tokantrano tsy ahahaka!» ny malagasy. Manana ny foto-pisainana koa ny malagasy hoe «Roa an-trano mahefa, telo an-trano mahavita!». Anjaran’ny malagasy ihany no dikan’izany no mamaha ny olany fa tsy ekena ny fidiran’ny SADC na vahiny hafa amin’ny famahana ny olan’ny malagasy, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap