airtel

Politique

09-juil-2026

Front de libération national

«Te haka fahefàna tsy mandalo

Sample post image

fifidianana ireo manakorontana ireo!»

09-juil-2026

Ny atao hoe tsy fandriampahalemana na «insécurité» ho an’ny FLN na Front de libération national dia tsy fahafahan’ny mpitondra fanjakàna, amin’ny alalan’ireo mpitandro filaminana, mifehy tanteraka ny filaminana eo amin’ny firenena, hoy ity vovonana politika ity. Tsy mahagaga, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny FLN, Iada Jean Pierre, raha mihorohoro sy matahotra ilay filoham-pirenena milaza fa misy mikasa hifofo ny ainy ary hitanao fa feno ny mpiambina azy eraky ny tampon-tanety. Hitanao fa mahatsapa tena ho miaina anaty tsy fahandriampahalemana ilay filoham-pirenena ary misy mitady hifofo ny ainy kanefa izy no filoha mitondra ilay firenena, hoy izy. Midika izany fa tsy afaka mihitsy izany olona izany hametraka filaminana sy tsy hisian’ny horohoro ho an’ny vahoaka satria izy aza manahirana azy. Faharoa, ny tsy fahandriampahalemana toy ny halatr’omby dia fantantsika hoe alainy ny omby dia amidiny ho vola. Ny tsy fahandriampahalemana toy ny hala-jaza kosa na famonoana zaza varira na fakàna taovan’olona dia tena tsy fantantsika mazava hatramin’ny androany hoe mankaiza marina ny tombontsoan’ilay olona manao ilay fihetsika? Amin’ny ankapobeny ny fahitàn’ny FLN azy dia fanakorontanana ara-politika ireny resaka hala-jaza sy ny tariny ireny. Entina hilazàna fotsiny fa mikorontana ilay tany, misy tsy fandriampahalemana, famonoan’olona, hala-jaza fa tsy misy antony mazava ankoatran’ny fanakorontanana na fiterahana horohoro ho an’ilay vahoaka no tena antony hanaovan’ilay olona manao ireny zavatra ireny. Ireo mpanao politika te haka fahefàna tsy mandalo fifidianana ireo manakorontana ireo! Iaraha-mahalala fa fahefà-panjakàna tsy ara-dalàna no mipetraka eto amin’ny firenena izao dia izay koa no heritreretin’ireo mpanakorontana ireo hoe haka an’io fahefàna tsy ara-dalàna io ka hipetraka amin’ny fomba tsy ara-dalàna eo amin’io toerana io satria amin’ny fotoana toy izao ihany no maha mora izany fihetsika izany. Tena hetsika politika izao hanairana ny vahoaka hoe tsy misy fandriampahalemana eto fa andao hirohotra na hanao an’izao sy izao ka tokony tsy ho raisin’ny vahoaka hoe ho antony lehibe ny andehanana hitraorana ilay tsy fandriampahalemana fa tena handray kosa ny andraikitra tandrify hahafahana miaro ny tena, ny zanaka, ny fianakaviana, ny fokonolona, izany hoe rafitra, hahafahana miaro ny filaminana anivon’ny fokontany sy fokonolona no tokony hiadian-kevitra mafy mba hahafahana manao izany rehefa hita fa tsy mahavita ny andraikiny ny mpitandro filaminana. Misy fanapahan-kevitra hafahafa foana indraindray eto Madagasikara. Ny tokony hitranga dia hoe ny zavatra mitabataba na mikorontana manodidina ny toeram-panadinana no tokony atsahatra. Afaka misakafo eny amin’ny tiany hisakafoana eny daholo ny olona fa tsy mahasakana ny mety ho fihavian’ny fanapoizinana ara-tsakafo toy izay efa hita tany aloha koa izany. Na 2 kilaometatra miala ny toera-panadinany aza izy no hisakafo dia mety ho tratran’izay. Fisehoana hoe mandray fanapahan-kevitra fotsiny izany ny hoe tsy mahazo mivarotra vatomamy na biskoitra manodidina ny toeram-panadinana sy toy izany fa tsy hisy fiantraikany amin’ny fandriampahaleman’ny fanadinam-panjakàna sy ny toy izany. Lasa ilay vahoaka indray avy eo no sahirana satria raha mba te hividy zavatra izy dia tsy hahita mpivarotra akaiky, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-juil-2026

eny amin’ny fokontany

Card image cap
07-juil-2026

Kaominina amam-polony maro manerana

Card image cap
07-juil-2026

raharaham-pirenena ny mpamatsy vola"

Card image cap
07-juil-2026

iorenan'ny fampandrosoana"

Card image cap