Tsy mahagaga ny fisiana savorovoro eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, hoy ny Front de libération national na FLN satria sady tsy mbola anaty lalàmpanorenana isika no tsy tetezamita. Samy mihevitra azy ho manam-pahefàna araka izay fahafahana rehetra eo am-pelantanany ny rehetra, hoy ny filohan’ity antoko politika ity, Iada Jean Pierre. Iny izao ny Kolonely Patrick dia hoe nanao ampamoaka indray, hoy izy. Tsy mahagaga loatra moa satria efa toy ireny foana izy rehefa miteny. Tsy azo ambaniana ny zavatra noteneniny satria tao anatiny tao izy ary mahalala tsara ny zava-nisy tao. Ny niainany sy hitany angamba no nambarany. Rehefa tsy voafaritra ny tena sata itondràna firenena dia tsy voafehy ny tsiambaratelom-panjakàna. Tsy io ihany fa vao misy mpanjaka na filoham-pirenena hafa izany mandray ny filoham-pirenena teo aloha dia efa lasa manaitra ny fitondràna ankehitriny satria maivana loatra ny fifampifehezan’ny fahefàna ankehitriny ka mihevitra hoe zavatra kely toy izany dia mety ampiongana na handrava fiandrianam-pirenena. Ny filoham-pirenena teo aloha na mpitondra fanjakàna teo aloha rehetra dia azon’ny rehetra raisina rehefa tsy mitondra ny anarany taloha. Raha niteny izy hoe izaho filohan’i Madagasikara vao resaka hafa. Tsy tokony hahataitra ireny Andry Rajoelina tany Eswatini ireny! Zony tanteraka ireny. Tsy misy didim-pitsaràna milaza fa tsy afaka manao ireny izy. Ny fandrisihan’ny SADC sy vondrona afrikanina any amin’ny fiaraha-mitantana angamba no mety mahatonga ny fitondràna ankehitriny ho taitra amin’ireny. Ny maika izao dia ny fahadiovana ny fitantanana ny raharaham-panjakàna satria an-jato am-biarivo ireo mpila ranondranony, izay efa tamin’ny fitondràna teo aloha, no mbola te hitondra indray, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija