airtel

Politique

26-mars-2026

Governemanta

: 13 vaovao, 17 tafaverina

Sample post image

Nosokafana amin’ny ankolafin-kery,

26-mars-2026

takiana hamokatra, hanenjana amin’ny kolikoly

Folo andro taorian’ny fanendrena ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison ny 15 martsa 2026, voatendry omaly ny mpikambana vaovaon’ny governemanta hotarihiny, izay ahitana minisitra 30. Ny 17 tamin’ireo mpikambana teo aloha no tafaverina amin’ny toerany, raha 13 kosa no vaovao. Ho an’ny Minisiteran’ny fiandrianam-pirenena dia ny Minisitery ny raharaham-bahiny no niova, natsahatra Rtoa Christine Razanamahasoa. Ho an’ny sehatra stratejika, dia tsy tafaverina amin’ny toerany ihany koa ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Ralitera Ny Ando. Anisan’ny endrika vaovao kosa ny depiote Todisoa Andriamampandry izay minisitry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa, nampiakatra ho 3 ny isan’ny depiote mandrafitra ny governemanta. Raha amin’ny endriny ankampobeny, mifanahantsahana ny mpanao politika sy teknisiana, saingy nanipika ny fisiana fisokafana ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael. Nisaotra ny ankolafin-kery samihafa, tsy nisalasala nitondra soso-kevitra hikatsahana ny tombotsoam-pirenena. « Manentana ny rehetra hifanohana sy hifanome tanana, tsy hanaiky hozarazaraina amin’ny fandranitana sy faminganana ara-politika,… Niantso firaisam-po, ka tsy hanana fahavalo olona fa ny fahantrana no iraisan’ny rehetra. », hoy ny Filoham-panjakana. Endriky ny fitoniana politika na « apaisement politique » izany ny governemanta napetraka raha raisina amin’izany. Nomarihina tamin’ny fanendrena fa nandraisana lesona ny lesoka teo aloha, namafisina ny fitsirihana ny fitiavan-tanindrazana tsirairay, fahadiovam-pitantana, ny finiavany hiady amin’ny kolikoly, haitairika nananany, vina mazava hoenti-manatanteraka ny politikan’ny fanavaozana, Tsy hoe ratsy teo aloha fa navaozina, hoy hatrany ny Filoha nanamafy. Tsy nionana tamin’ny fifantenana mahazatra, fa nampiasa ny teknolojia. « Tokony ho fitaratra na amin’ny fanompoana ny vahoaka na amin’ny fitondran-tena, tsy entina hieboeboana hanindriana ny mpiray tanindrazana, tokony hamela tantara tsara ho an’ny Firenena. », ka avy hatrany rehefa tsy mahomby sy manao kolikoly, takiana ny fanambaram-panana,takiana firaisam-po sy firaisankinan’ny governemanta, tsy natsoina hikatsaka tombotsoa manokana na ny ankolafin-kery nihaviana fa ny tombotsoam-bahoaka irery.
IREO IRAKA LEHIBE ANKININA AMIN’NY GOVERNEMANTA
Andrasana amin’ny governemanta ny fanohizana ny teo aloha izay namafisina fa tsy ratsy, fa noho ny fanokafana ny ankolafin-kery rehetra ny governemanta dia nisy tsy maintsy nisy nampandeferina ireo namana. Ny fanohizana ireo ezaka mifandraika amin’ny filana fototra andavanandron’ny vahoaka: sakafo, angovo, fandriampahalemana,… Fanohizana ny paikady fanarenana ny Faritra Atsinana, ny fiatrehana ny akon’ny adin’i Isrely sy Iran, fanatanterahana ny fototry ny fanavaoazana, amin’ny fikaonandoham-pirenena, lalàm-pifidianana,… Fandraisana lesona avy amin’ny tatitry ny Cour des comptes hanarenana ny fitantanana, fanadihadiana sy fanenjehana ireo tompon’antoka tamin’ny raharaha fanodikodinam-pona 3811 miliara Ar ny 2025 izay efa eo anivon’ny IGE izay nomena iraka anatin’ny 45 andro. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny kolikoly, tsy hijerena tavan’olona, ary natao hitandreman’ny rehetra. Am-perin’asa ny Bianco mikasika ny kolikoly20 miliara Ar tao anatin’ny iray volana monja tao anatin’ny « fonds souverains ». Hojerena ny kolikoly tamin’ny fifaninana ho mpianatra mpitsara. Hojerena ny fifantenana ny tompon’andraikitra ambony amin’ireo sampan-draharaham-panjakana,... Tsy handefitra amin’ny fanakorontana, hijoro amin’ny fampanajana ny lalàna velona, hoy ny Filoham-panjakana.

IRETO AVY IREO MINISITRA HANDRAFITRA NY GOVERNEMANTA MAMITIANA RAJAONARISON
-Ireo 13 Vaovao :
Raharaham-bahiny : Dr Alice N’Diaye ; Fampianarana ara-teknika sy ny Fampiofanana Arak’asa
Andriamampandry Todisoa Manampy, Fanabeazam-pirenena : Rajaonarison Sendranirina, Fambolena sy ny Fiompiana : Gaetan Ramindro, Fiompiana : Andrianomenjanahary Riana Nantenaina , Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina : Riana Nampoina Raharimanjatovo, Asa sy Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana : Denis Franconio Mac, Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Andrianavalona Ramanambola Herizo, Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo : Rabearimanga Radonirina Lucas, Asa Vaventy :Rafefimanana Sambilason Richard , Jono sy ny Toekarena Manga : Maharavo Jean, Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy : Andriantsihala Nolave Luck Aristide, Mponina sy ny Firaisankina : Rakotoniaina Voahanginirina Cathia

-Ireo 17 tafaverina :
Ministry ny Foloalindahy : Jeneraly Maminirina Ely Razafitombo, Toekarena sy ny Fitantanam-bola : Dr Herinjatovo Aimé Ramiarison, Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana : Hanitra Velonjara Tiaray Rakotonandrasana, Fitsarana : Fanirisoa Ernaivo, Fanajariana ny Tany : Jeneraly de division Lylison René de Roland, Fampianarana Ambony sy fikarohana ara-tsiansa : Pr Ndaohialy Ravonimanantsoa, Fahasalamam-bahoaka : Dr Monira Managna, Fizahantany sy ny Asa-tanana : Lucie Vololoniaina, Fampandrosoana nomerika sy ny paositra : Mahefa Andriamampiadana, Filaminam-bahoaka : IGP Erick Michel Idrissa, Varotra sy ny Fanjifana : Andriamadison Haingotiana Michela Angèle , Tanora sy ny Fanatanjahantena : Alain Désiré Rasambany, Harena akibon'ny tany : Carl Andriamparany, Rano : Dr Minosoa Anjaratiana Elia Razafindrianiaina, Serasera sy ny Kolontsaina : Ogascar Fenosoa Mandrindrarivony, Zandarimariam-pirenena : jeneraly Marima Bama
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap