airtel

Politique

22-juil-2025

Hary Razafindrazaka

«Miteny ianareo mamono afo dia vao mainka ny olona tsy mino anareo intsony»

Sample post image

Mampiomehy sady mampieritreritra ilay filazàna hoe noho izao sy izao

22-juil-2025

dia tsy natao ny fitiliana «botulisme», hoy ny mpanao politika, mpikatroka Leader Fanilo, Hary Razafindrazaka. Profesora io no miteny, hoy ny fanontaniany? Angaha tany am-boalohany vao niditra hopitaly ireo zaza ireo dia tonga dia fantatra fa potika ny atiny? Tsy dokotera aloha ny tena fa raha olona miisa 50 be izao kosa no tonga any amin’ny hopitaly avy nihinana sakafo dia tsy tokony ho «systématique» na mandeha ho azy ve ny fitiliana ny mety rehetra tokony ho fototry ny fanampoizinana? Asa aloha fa ny tsapa dia maro ny olona mihevitra fa misy zavatra afenina ao na dia midradradra aza ianareo fa tsy misy. Isaky ny miteny ianareo mamono afo dia vao mainka ny olona tsy mino anareo intsony. Hitako voadona mafy ny voninahitry ny Dokotera malagasy izay manana ny maha izy azy noho ny kabarinareo tsy mitombina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Lohavehitra 7, ho voaresaka ireo raharaha mafana ?

Card image cap
21-août-2026

Raha vao miresaka fianakaviambe

Card image cap
21-août-2026

ary mahafantatra tsara ny fiasan’ny SADC»

Card image cap