Nanao fanambarana teto Antananarivo omaly ny Ny Hetsika Herim-bahoaka Miara Mifarimbona na HBMM tarihin-dRakotoarivelo Roger. Nanamarika ny tohin’ny tolona sy ny fanovàna eo amin’ny sehatra politika sy fiarahamonina. Maro, hoy izy ireo, ny ezaka sy dingana efa nolalovana, na tamin’ny hevitra naroso na tamin’ny fandraisana anjara mivantana ho fandrodanana ny fanjakana tsy refesi-mandidy teo aloha. Na dia teo aza ny sakantsakana toy ny fisamborana, famonoana, fanagadrana, ary nisy ireo mpitolona naratra sy nodimandry, izay heverina ho maritioran’ny tolona sy vavolombelon’ny fitiavan-tanindrazana,.... dia efa nisy dingana vita, saingy mbola misy tavela tsy maintsy tanterahina. Ny maika amin’izao fotoana izao, hoy ny fanambarana, dia ny famongorana ny fanjakan’ny saribakolin’ny mpanjanaka frantsay sy ny politika maloto izay mbola tsapa fa manimba ny firenena. Hita taratra izany amin'ny fangejana ara-politika sy ara-toekarena, raha ny nambaran-dRakotoarivelo Roger. Naneho izy ireo fa ny fanovana sy fiovana dia lalana tsy azo ialana ary tsy maintsy hirosoana.m, ary izao fanjakana tarihin’ny Filoha Mickael Randrianirina no vokatry ny hetahetam-bahoaka, ahafahana nanatanteraka ny fanovana takain’ny vanim-potoana. Noho izany, lavin’ny HBMM tanteraka ny fanakorontanana amin’ny endriny rehetra, na avy aiza na avy aiza sehatra ipoirany. Nanentana ny rehetra mba hamela ny fanjakana mijoro hiasa malalaka, ary mandà amin’ny heriny rehetra izay zavatra mifanohitra amin’ny fanapahan-kevitry ny vahoaka. Manoloana ny mbola fisiana fitakiana toy ny resaka Jirama dia nanamarika izy ireo fa 7 taona ny Fitondrana teo aloha tsy nahavaha olana, ary io no isan'ny nitarika ny tolona. Ny Filoha amin'izao mbola tsy misy 2 volana, saingy hita ny ezaka. Miantso ny rehetra tsy ho voarebirebin'ny fanakorontanana ny HBMM. Nanipika fa ny hetsika fanonganana Ben'ny tanàna etsy sy eroa ohatra dia misy tsy mahamety azy satria ho olana be raha hanao toy izany ny kaominina 1600 mahery, ka tokony hampifanarahana amin’ny lalàna. Tanjona sy tamberiny andrasan'izy ireo amin'ny Fitondrana ny fiovam-piainana ho an'ny Malagasy manontolo. Firenena manana ny maha izy azy isika raha ny harena eto no trandrahana ka tokony haato sy havaozina ho tena ara-dalàna aloha ny fahazoan-dalana rehetra ka tsy 1% ohatra no mijanona dia ny 99% lasan'ny vahiny, hoy hatrany ny Mpitarika ny HBMM Rakotoarivelo Roger.
Toky R
Iray volana latsaka taorian’ny fanendrena