airtel

Politique

07-sept-2026

HERIMANANA RAZAFIMAHEFA

Manan-danja ny fahanginana

Sample post image

Manan-danja ny fahanginana

07-sept-2026

hoy Herimanana Razafimahefa, Filohan’ny Antenimieran-doholona teo aloha. Niaina izany aho hoy izy ary niezaka nanidy ny vavako na dia maro aza ireo olona nangataka ahy mba haneho hevitra taorian’ny nanaovan’ny Fitondrana teo aloha antsojay ny tenako. Toraka izany koa ireo mpanao gazety niantso ahy sy tonga tany an-tokantranoko mihitsy izay tsy maintsy nialako tsiny. Ny hany vavaka nataoko hoy izy dia ny hoe : Andriamanitro o ! Ianao no hiady ho ahy fa izaho kosa hangina dia izao hitanareo izao ny tohin’ny tantara. Nihintsana tsikelikely avokoa ireo nanao ratsy ahy ary vao tsy ela akory izay no nisy nahazo sazy henjana avy amin’ny Fitsarana tamin’ny zavatra tsy nety nataony. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia naongana tsy ho Filohan’ny Antenimieran-doholona Atoa Herimanana Razafimahefa tamin’ny taona 2025. Talohan’ny fifidianana Filoham-pirenena, dia notorian’ny Vondrona Parlemantera IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin’I Andry Rajoelina) teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana koa ny tenany mba hanonganana azy tsy ho loholona ihany koa. Ny Fitondrana vonimboasary avokoa no niketrika izany ka nanolo ny toerany moramora ny Jeneraly Ravalomanana. Marihina anefa fa loholona voafidy Herimanana Razafimahefa tamin’izany fotoana ary tsy anisan’ireo notendren’ny Filoham-pirenena.
Pati
Legende : Herimanana Razafimahefa, Filohan’ny Antenimieran-doholona teo aloha !

 

Dans la même rubrique

07-sept-2026

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny

Card image cap
07-sept-2026

Ataovy haingana ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
07-sept-2026

Niditra an-tsehatra ny Depiote Rajerison

Card image cap
07-sept-2026

Antoko politika 2 no nangataka ny

Card image cap
03-sept-2026

Nitohy omaly tolakandro teny

Card image cap
03-sept-2026

Hajaina ny fe-potoaka,

Card image cap