airtel

Politique

17-sept-2026

Hetsika

niantombohan’ny

Sample post image

faharavan’ny Fanjakana jadona

17-sept-2026

Hankalaza ny faha-herintaona ny «Tsy manaiky Lembenana »
Anisan'ny hetsika nahafahana nandrava ny Fitondrana jadona sy ny forongony ka nahazoana sy nahatongavana amin'izao fitondrana Fanavaozana izao ny Tsy manaiky Lembenana, fikambanana notarihin-dry Raharinirina Clémence, Lehiben'ny Faritra Analamanga mpisolo toerana ankehitriny, niaraka tamin-dry Faniry Alban Rakotoarisoa Tale Jeneralin’ny ACM ankehitriny, Lily Rafaralahy izay lasa Minisitry ny fizahantany, nampian’ireo mpanolotsaina monisipaly avy amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana notarihin-dry Toavina Ralambomahay izay ambasadaorontsika any Afrika Atsimo ankiehitriny, ireo mpanolotsaina avy amin’ny fanoherana tamin’izany,... Tsy handalo fotsiny araka izany ny datin'ny 18 Septambra, herintaona nitondran'ireo mpitarika « bidon jaune » nanoloana ny Antenimieran-doholona Anosy fa homarihin'izy ireo amin'ny fomba miavaka. Etsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina no hanaovana ny hetsika mifandraika amin'izany amin'ny Zoma 18 Septambra ho avy izao manomboka amin'ny 09 ora maraina. Rindran-kira ara-pilazantsara goavambe no hisantarana izany amin'ny 09 ora. Hitohy amin'ny fotoam-pivavahana entina hisaorana sy hiderana an'Andriamanitra izany manomboka amin'ny 10 ora, hanasana ireo tompon'andraiki-panjakana maro isan-tsokajiny eto amin'ny tany sy ny Firenena. Miantso ny rehetra ho avy hanotrona azy sy ireo mpikambana miaraka aminy ahitana ny tale jeneralin'ny ACM sy ny Ministry ny asa tanana araka izany Raharinirina Clémence. Hofaranana amin'ny fandefasana horonan-tsary mihetsika tsiahy tamin'ny tolona tamin'ny volana Septambra taona 2025 ny hetsika mifandraika amin'ny fampitahana ny fiainam-pirenena ankehitriny ao anatin'ilay loha-hevitra hoe : Mankaiza ny Firenena ankehitriny ?
Pati
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap