airtel

Politique

07-sept-2026

IVON’NY

FANAVAOZANA NY REPOBLIKA

Sample post image

Ataovy haingana ny fikaonan-doham-pirenena

07-sept-2026

hirosoana amin’ny fifidianana
Ataovy haingana hoy Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika na ny IFR ny fikaonandoham-pirenena hirosoana amin’ny fifidianana tena izy. Tsy tokony hitamatama na ho varimbariana intsony isika hoy Ratovonanahary Rabetsintonta fa ny ratsy tsy kely lalana. Betsaka ireo miezaka mamingana ny fitondrana Fanavaozana mba tsy hahatongavana amin’ izany hoy izy. Manome soso-kevitra ny amin’ny hanaovana ny fifidianana lalam-panorenana vaovao araka izany ny IFR hahafahana tena mampandroso ny Firenena. Toraka izany koa ny tokony hampiharana ilay fanjakana federaly na ny Etat federal eto amintsika. Miezaka mivoy fatratra izany ny IFR ary mitety ireo Boriborintany miisa 6 eto an-drenivohitra mihitsy mampahafantatra ny vahoaka ireo karazana tombontsoa mety ho azo avy amin’izany. Manana teknisiana manokana momba izany ny IFR izay nanazava tamin’ny mpanao gazety fa mety raha samy misitraka ireo karazana tombontsoa ao amin’ny faritra misy azy avy ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny fanjakana federaly. Tsy tokony hivangongo ao amin’ny foibe intsony ny fahefana sy ny tombontsoa rehetra hoy izy fa tokony haparitaka. Teny amin’ny Boriborintany fahadimy sy faha-enina izy ireo ny faran’ny herinandro teo nanatanteraka dinidinika ambany tafontrano tao anatin’ilay lohahevitra hoe : Ivon’ny Fanavaozana ny Repoblika, fanjakana federaly antsika mirevy.
Pati
Legende: Ireo mpikambana eo anivon’ny IFR teny Ampandrianomby !
 

Dans la même rubrique

23-oct-2026

Mila manompo fokonolona fa

Card image cap
23-oct-2026

hatramin’izay ka miodinkodina eto isika»

Card image cap
22-oct-2026

olon-dRajoelina mamahan-dalitra ao !»

Card image cap
22-oct-2026

Miato, miandry ny hevitry ny HCC ny PAC

Card image cap
22-oct-2026

ity fitondràna ity raha te hametraka tsara!»

Card image cap
22-oct-2026

Misy mponina mitaraina noho

Card image cap