airtel

Politique

07-janv-2025

Jean-Luce Randriamihoatra

Nadoboka am-ponja ho fampihorohoroana ny mpanohitra...

Sample post image

Naiditra am-ponja vonjimaika Atoa Jean-Luce Randriamihoatra taorian’ny fiakarany fampanoavana

07-janv-2025

omaly 06 janoary 2024. Ny tenany izay notondroina ho niditra an-tsokosoko tao anatin’ny tranonkalan’ny CENI izay nahitana voka-pifidianana mampandresy ny kandida Tojo Ravalomanana teto Antananarivo, ny andron’ny sabotsy 21 desambra 2024 teo, ampitson’ny nanambaran’ny CENI voka-pifidianana vonjimaika. Nosamborina ny ampitson’io zava-niseho tao amin’ny tranonkalan’ny CENI io moa ny tenany. Tsy finiavana hiaro an’Atoa Jean-Luce Randriamihoatra, fa isan’ny nahafantarana azy ny fikirikarirany na fanaovana « analyse » ireo antontan’isa sy atontam-baovao avoakan’ny CENI, saingy io izy voalaza fa nanao ny « piratage » ny kaontin’ny CENI io. Taorian’ny fisamborana, nilaza ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekrtera Jeneraliny Rina Randriamasinoro ny 28 desambra teo, fa niantso ny PNUD hanao « audit » na fitsirihana hanamarina hoe : tena nisy nanao an’izany ve satria tranonkala nandaniana volabe io, ka tsy tokony terena fotsiny hoe : ianao nanao an’izao, ianao niteny an’izao, dia tenenina hoe : ianao izany no nanao an’iny, fa tsy tokony terena ho Atoa Jean Luce Randriamihoatra no atao sorona. « Ny fandikako azy, dia nisy vokatra 2 tao amin’ny CENI hoe : ny iray mandresy ny kandidam-panjakana, ary ny iray mandresy ny kandidanay », hoy i Rina Randriamasinoro tamin’izany. Notsiahiviny fa tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena, tao amin’ny CENI rehefa nisy antsapaka, dia tsy tao ny anaran’i Andry Rajoelina, fa avy eo nampidirina. Efa nisy an’izany satria nafana be ny fanenjehana mikasika ny efa fanariany ny zom-pirenena ary efa neverina ho tsy afaka ny ho kandida, izay vao nasisika ny anarany, ka endrika tahaka izany no nandraisan’ny TIM ny zava-nisy tao amin’ny tranonkalan’ny CENI. Ao anatin’ny toe-draharaha politika mafana no mitranga izao ka karazana hafatra politika hampihorohoroana ny mpanohitra ve fa izay mahasahy mijoro hanohitra ny tsy fanjariana sy ny amboletra politika dia efa any am-ponja ny ilan-tongotra ? Mandeha rahateo ny antso avo famondronan-kery !
Toky R

 

 

 


 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap