airtel

Politique

15-déc-2025

Julien Andriamorasata

«Tokony hovaina ny lalàna mikasika ny CENI!»

Sample post image

Mitondra sosokevitra hanatsaràna ny

15-déc-2025

asa fanovàna eto Madagasikara ao anatin’izao fihaonamben’ny mpanao politika na «Assise des partis politiques» izao ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM, hoy ny mpikamban’ny birao maharitr’izy ireo no sady manam-pahaizana momba ny raharaham-panjakàna, Julien Andriamorasata. Ny mikasika ny antoko politika ihany koa, hoy izy, no tiako resahina manokana. Ny fihaonambe atao eto Ankorondrano rahateo dia mikasika izay mihitsy. Tokony mba hanara-maso tsara ny antoko politika misy eto Madagasikara ny minisiteran’ny atitany. Misy antoko politika efa tranainy be tsy misy mpikambana intsony ao anatiny. 300 isa latsaka kely no voalaza fa isan’ny antoko politika eto izao ka raha misy antoko izay zara raha misy olona miisa 3 sy 4 fotsiny ao anatiny, tsy misy praograman’asa akory, dia anjaran’ny minisiteran’ny atitany no manatsahatra azy. Izay no hitakiana ny fisiana kaongresy nasionaly sy ny asa ataon’ny antoko. Anjaran’ny minisiteran’ny atitany no manara-maso izany. Tsy maintsy mitety faritra koa ny antoko politika. Manao ny atao hoe «animation de la vie politique» na fampiainana ny antoko. Anjaran’ny minisiteran’ny atitany ny manentana ny antoko politika hametraka ny fototra na «base» sy manao ny asany rehetra. Tsy fampielezankevitra mialohan’ny fotoana akory izany fa fampiroboroboana ny antoko politika. Tsy maintsy misy tetezamita mialohan’ny fidirana amina repoblika manaraka. Io tetezamita io no andaminana ny asa atao rehetra hahatongavana amin’izany repoblika faha 5 izany. Anatin’ity tetezamita ity no handaminana izany. Izay no anton’ny fikaonandoham-pirenena mba hahafahan’ny rehetra mandray anjara ny fifidianana ary ahatsara faka ilay repoblika vaovao. Tokony ovaina ny lalàna mikasika ny CENI! Tokony ho rafitra tena mahaleotena io! Ny mandrafitra an’io izao tena hoe avy amin’ny mpitondra ny ankamaroany. Raha miisa 9 no mpikambana dia mpanaradia izay filohan’ny repoblika eo daholo ny 5. «Fraude électorale massive» na hala-pifidianana bevata no hita nanomboka ny taona 2009 no nankaty. Nanimba zavatra be dia be izany. Manatsara zavatra isika. Tsy ratsy ny hoe ny minisiteran’ny atitany ihany no manomana fifidianana saingy midika koa nefa izay hoe ny fitondràm-panjakàna ihany no manomana azy. Ny lehiben’ny distrika nefa solontenam-panjakàna any ifotony miaraka amin’ny sefo fokontany, ny lehiben’ny boriboritany, ny prefe. Izay ahiahy ny amin’ny mety hisiana tsindry avy amin’ny fitondràna indray rehefa hikarakara fifidianana izay nefa no ho sorohantsika. Ny adihevitra tokony apetraka izany izao dia hoe ahoana no ahafahana mametraka izay rafitra mahaleotena hikarakara fifidianana izay, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap