airtel

Politique

31-août-2023

Kandida Paraina Auguste

“Fifidianana marina no vahaolana fa tsy tetezamita”

Sample post image

Ny kandida ho filoham-pirenena, Paraina Auguste, no kandida fahatelo nanatitra ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiany

31-août-2023

tetsy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC Ambohidahy omaly. Dosie feno 100%, hoy ny fanamarihany, no naterina teo. Efa ao ilay 200 tapitrisa Ariary. Raharaham-pirenena efa nomanina ela ity fa tsy atao sangisangy, hoy ity filohan’ny antoko politika Tsara tahafina ity. Resy lahatra izahay fa hisy ny fifidianana ary vonona ny hiatrika ny manaraka izahay izao. Angamba tsy hisy izany hoe tetezamita izany intsony fa araka ny tenin’ny filohan’ny FFKM dia hoe aoka ny fahamarinana no hanjaka! Be dia be ny zavatra tsy tomombana nefa tsy maintsy fifidianana ihany no ahafahantsika mivoaka amin’izao. Tsy manana fahavalo afa-tsy ny fahantrana izahay! Mpifaninana ny kandida fa tsy mpifahavalo ka manantena ireo kandida namana ireo mba ho avy hanatitra ny antotan-taratasiny avy koa. Nisinisy ihany ny fahasarotana tamin’ny fikarakarana antotan-taratasy, indrindra, ho an’ireo mpandraharaha. Ireo mpandraharaha no tena sahirana nikarakara dosie. Izahay moa tsy mpandraharaha fa mpiasam-panjakana retirety dia moramora ny nahazoana ilay taratasy any amin’ny FISC. Ho itanareo any amin’ny adihevitra hoe iza no tena mendrika hitondra ity firenena ity? Ho hita hoe iza no manana traikefa sy fari-pahaizana ambony fa tsy mpanao dika mitovy na “copie coller”. Ny zavatra avy teneninao ihany no haveriny, hoy hatrany i Paraina Auguste.
J. Mirija

 


 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

Mila mahatsapa fiovana tsara

Card image cap
09-oct-2026

teto, nofy ratsy ho azy mianakavy…

Card image cap
09-oct-2026

Miroso hatrany amin’ireo asa

Card image cap
09-oct-2026

Manentana ny herivelona rehetra hifanatona

Card image cap
09-oct-2026

hamafisina ny fanorenana!"

Card image cap