airtel

Politique

09-déc-2024

KANDIDA SOLOFOHARIMANANA BRUNO

Hotohizana ny asa vita

Sample post image

Hotohizana ny asa vita hatramin’izay ho an’ny Kandida laharana faha-3 natolotry ny tsy miankina Solofoharimanana Bruno

09-déc-2024

ao anatin’ny Kaominina Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano. Betsaka ny zava-bitany tao anatin’ny 5 taona nitantanany ka tsy avela ho very maina izany mba hisian’ny tena fampandrosoana marina ao anatin’ity kaominina iray ity. Tsy nisy izay tsy nanaovana asa ny Fokontany miisa 12 misy raha ny nambarany tamin’ny vahoaka tao Antanety afak’omaly Sabotsy 07 Desambra. Efa mahatratra 10 ireo sekoly ambaratonga fototra misy, nametrahana mpiambina miisa 5 izay karamain’ny kaominina mba tsy ho vesatry ny Ray aman-dReny. Efa napetrahana prescolaire ihany koa ao Ambohijatovo Antanimena narahin’ny asa fanamboaran-dalana…Efa vita ao anatin’ny 20 minitra ihany koa amin’izao ny taratasy karakaraina eo anivon’ny Kaominina raha efa voaloha avokoa ny trosan’ny Cnaps 32 tapitrisa Ar ary efa mandray retraite avokoa ny mpiasa. Hotohizana araka izany ny asa ho an’ity Kandida iray ity ka nisy ny fanentanany ireo olom-pirenena feno 18 taona rehetra mba handrotsa-bato ho azy afaka rahampitso Alarobia 11 Desambra.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hamaroan’ireo vahoaka manaraka ny Kandida Solofoharimanana Bruno ao Fenoarivo !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap