sy isam-bato 2676 ny Kandidan'ny antoko Tiako I Madagasikara ao amin'ny kaominina Talata Volonondry, Rakotondrazaka Toky izay mitondra ny laharana fahatelo. Nandritra ny fampielezan-kevitra no efa tsapa fa nirona tany amin'i TOKY ny safidin'ny ankabeazan'ireo mponina noho ny fananany vina azo tanterahina tsara fa tsy nofinofy, ka io voaporofo tany amin’ny latsa-bato io. Mifototra amin'ny fampivoarana ny tantsaha izay mandrafitra ny 80% ny vahoaka amin'ny maha Kaominina Ambanivohitra an'i Talata Volonondry ao anatin’ny distrikan’Avaradrano no vina nentin’ity kandida vao erotrerony ity. Eo ihany koa ny fananany fahalalana manokana sy traikefa amin'ny resaka fitantanana Kaominina sy fampandrosoana eny ifotony ka ampahany amin’izany ny fananany mari-pahaizana ambony mahakasika ny "Développement local", nahavita fiofanana manokana momba ny fitantanana Kaominina ADL na "Agent de développement Local, efa Consultant teny anivon'ny Kaominina maromaro,… Isan'ny mampiavaka an'i Talata Volonondry sy mampalaza azy hatrany ivelany moa ny fivarotana Koba sy sôsisy, ka anisan’ny mpandraharaha amin’io ity ben’ny tanàna vaovao ity. Mahalala tsara ireo olana sy ny fomba hampiroboroaboana ny varotra sy ny famokarana ka antenain’ny vahoaka fa vao mainka hisandratra avo ny lazan'ny Koba sy Sôsisin'i Talata amin'izao fahalaniany ho Ben'ny Tanàna izao!
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia