Mpiasam-bahoaka izahay fa tsy mpiasam-panjakana,ka toe-tsaina mila ovaina izany, raha vao hoe mpiasam-panjakana dia lasa ny Fanjakana ny Fanjakana no tompoina, kanefa ny vahoaka no tokony ho izy. Manome lanja ny tanora ny Fanjakana, miezaka manao na dia mbola sahirankirana ara-bola aza ny Fanjakana. Tany Diego nizara vola ho an’ny Fikambanan’ny tanora amin’ny resaka « Digitalisation », tany Toamasina nanomboka tetikasa 5000 asa ho an’ny tanora ao anatin’ny 2 taona, ny teto Antananarivo nanomboka ny tetikasa ASANAI anatin’ny tetikasa PIC (Pôle Intégré de Croissance) hampiasa tanora 1300,… Hiezaka amin’ny zavatra rehetra hatao, mangataka amin’ny tanora eran’i Madagasikara : « Matokisa anay ianareo ! Nitsangana izahay tamin’ny 11 oktobra, tsy ho an’iza fa ho anareo tanora ! Ianareo tanora no tompon’i Madagasikara atsy aoriandriana fa tsy ho anay ! Ny anay efa vita ! Efa mamaramparana ! Hiezaka lalandava izahay hanala an’ity resaka kolikoly ity satria io no tena mamitika an’ity Firenena malalantsika ity », hoy ny Kolonely Randrianirina Michael. Saika ahitana kolikoly avokoa izay aleha raha ny nambarany : fifaninana hidirana amin’ny asa, raharaham-panjakana,… Miezaka mampisondrotra ny karaman’ny mpiasam-panjakana tsikelikely mba tsy hisian’io ny Fitondrana, miezaka manome « prime » na dia kely mba hampisehoana ny mpiasam-panjakana izay « mpiasam-bahoaka » manomboka izao fa ny Fanjakana dia mijery an-dry zareo, ka izay no dikan’ny « prime » izay sady mijery no manantena fiovam-penitra mahery vaika amin’ny mpiasam-bahoaka. Niantso ny vahoaka hanana faharetana ary tsy ho mety lalaovin’ny olona amin’ny tambajotran-tserasera ny Filoham-panjakana, izay nahitsy nilaza fa be dia be ny olona voakarama hanao an’io. « Ny angatahana aminareo dia fahatokisana ny voalohany indrindra, ary ny faharetana anay satria firy taona isika izay nijaly ! 3 volana no vitanay izay, mety mba mahita ianareo ny ezaka izay vitanay ! Dia mbola ho hitanareo ihany koa ny ho vitanay 3 volana manaraka », hoy ny Filoham-panjakana.
NASIAKA FITENY
Mbola nohamafisin’ny Kolonely Randrianirina Michael nandritra ny fitokanana fotodrafitrasa samihafa tao Antsirabe ny ambarany fa ezaka sy asa vitan’ny fitondrana tao anatin’ny telo volana, ka namaliany ny filazana fa fampanantenana fotsiny ny an’ny Fitondrana ankehitriny. « 3 volana izahay izao no teo, ny zavatra tsy vitanareo 16 taona vitanay tao anatin’ny 3 volana, ka aiza ilay hoe fampanantenana fotsiny ? Mba tiko hiteny ny olona miteny an’izay hoe fampanantenana fotsiny. Mangataka an’izay olona izay hivoaka amin’ny fahitalavitra dia hiteny hoe fampanantenana fotsiny dia inona ilay tsy vita tao anatin’ny 3 volana ? Fa izay olona izay nitondra 7 taona farafahakeliny izay olona miteny eo, ny sasany 11 taona fa inona no vitany ? Firenena mahantra, vahoaka mahantra no vitany, ka aoka izy mba tsy hiteny fa mbola 3 volana no nitondranay, fa izahay mahatsapa fa be dia be no vitanay tao anatin’ny 3 volana », hoy ny Kolonely Randrianirina Michael.
Toky R
Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana