airtel

Politique

08-sept-2026

KOMITY TEKNIKAN’NY

FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA

Sample post image

Hiasa manomboka amin’ity herinandro ity

08-sept-2026

Hanomboka hiasa amin’ity herinandro ity ireo mpikambana notendren’ny governemanta ao anatin’ny komity teknikan’ny fikaonan-doham-pirenena. Ankoatra ny solontenan’ireo Ministera isan-tsokajiny toy ny Ministeran’ny fanavaozana, ny Ministeran’ny vola, ny Ministeran’ny Ati-tany dia nakana solontena ihany koa ny fiaraha-monim-pirenena sy ireo mpandala ny fomban-drazana...Ho an’ireo fiangonana ivelan’ny FFKM na ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara dia anisany voatendry i Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy. Raha araka ny fanazavany dia maromaro ny andraikitra miandry azy amin’izao toerana nanendrena azy izao. Ho an’ny resa-bola ilaina dia andraikitr’izy ireo ny mandinika izany. Toraka izany koa ny fikarakarana ireo antontan-taratasy mety ilaina eo anivon’ny Ministeran’ny Ati-tany toy ny fangatahana fahazoan-dalana , ny fitadiavam-bahaolana maika raha sanatria tsy mizotra araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Raha mandeha tsara indray ny fanatontosana izany dia anjaran’izy ireo ihany koa ny manao tatitra eo anivon’ny governemanta....Vonona ireo mpikambana amin’ny ankapobeny ka tokana ihany ny tanjona dia ny hahavitan’ny fikaonan-doham-pirenena hahafahana miroso haingana mankany amin’ny fifidianana tena izy sy eken’ny rehetra.
Pati
Legende : Anisan’ny voatendry ao anatin’ny komity ho an’ny fiangonana ivelan’ny FFKM i Pastera Mailhol !
 

Dans la même rubrique

08-sept-2026

Tsy tokony hampandraisina anjara ny ekipan-dRajoelina »

Card image cap
08-sept-2026

fotsiny amin’ny 2027

Card image cap
07-sept-2026

Anisan'ireo nandray anjara tamin'ny

Card image cap
07-sept-2026

Ataovy haingana ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
07-sept-2026

Niditra an-tsehatra ny Depiote Rajerison

Card image cap
07-sept-2026

Manan-danja ny fahanginana

Card image cap