Im-pito nikorontana sy nitrangana savorovoro politika i Madagasikara tao anatin’ny 35 taona, izany hoe miditra krizy isaky ny 5 taona.ka tsy atao mahagaga raha mihitsabe ny asa fampandrosoana satria tsy mitohy mihitsy ny ezaka, 3 na 5 taona eo dia manomboka hafahafa, lasa mafana ny fanehoan-kevitra politika, mandeha ny fanomezana « ultimatum », mivoaka ny hoe fanohintohinana ny filaminana anatiny sy fanakorontana ary mety ho lasa fanonganam-panjakana mihitsy aza ilay vesatra .Avy eo raikitra ny fisamborana. Dia miroso miteny ireo karazana fikamanana, sendika, teraky ny avy sy atsy sy aroa…Miditra an-tsehatra ireo malagasy monina any ivelany.Tato anatin’ny 10 taona farany moa dia nanomboka nana toerana tena lehibe ny fanehoan-kevitra sy antso amin’ny tambazotra sosialy, facebook no tena fijerin’ny malagasy. SAHIA MITENY Tahaka izany hatrany ny zava-mitranga, hita ihany hoe io fa msy fotodrafitrasa mijoro, misy karazana rafitra natsangana miasa avokoa ireny, fa ilay fari-piainan-dramalagasy tsy nihatsara mihitsy.Nisy fotoana efa mba hoe 75% ilay tahan’ny fahantrana fa ankehitriny lasa 85% indray ary tena ahiana mafy hoe ho tafiakatra 90% raha tsy misy fivoarana haingana sy asa mitohy. Hiditra amin’ny fikaonandoha sy fanavaozan-drafitra i Madagasikara anefa, ny andrasana izany dia hoe inona marina no hevitry ny olom-pirenena ? Ny an’ireo mpanao politika efa fantampantatra fa ilay an’ny vahoaka tompon’ny fahefana, ny fokonolona fototra iorenan’ny fahefana mihitsy no andrasana.Tena hazoto hamosaka hevitra ve ny malagasy sa ireo efa mpiresaka sy fahita ihany no ho maro an’isa any anaty asam-baomieran’ny fikaonandoham-paritra sy fikaonandoham-pirenena any ? ARETINA MIKY MILA FITSABOANA Efa mazava aloha fa misy tsy mety ao, misy aretina mikiky matoa tsy misy fitondrana tafatombina mihoatra ny 5 na 7 taona eto. Mila alamina ny sosialy, toekarena, tontolon’ny fandraharahana sy famoronan’asa, ny fanofanana arak’asa, fampianarana, fanabeazana ny olom-pirenena, sehatry ny fahasalamana ary indrindra fa ny fametrahana paikady mba hisian’ny fandriampahalemana ahafahan’ny olona miasa sy mamokatra araka ny tokony ho izy. Misy tsy mety ao matoa mifanao vava be, misy tsy mety ao matoa mifanongana, misy tsy mety ao matoa tsapa hoe misy fankahalana …Ny fanehoan-kevitra an-dalambe indray efa fanao amin’ny firenena mandala ny demokrasia. Ny manahirana eto fotsiny dia vao hoe misy migrevy dia fanonganam-panjakana no tonga ao an-dohan’ny mpitondra. Ary raha vantany vao misy ihany koa fahadisoan’ny mpitondra dia efa hoe miala eo ianareo, ny an’ny mpanohitra sy ny hafa tsy mitovy fomba fijery amin’ilay fitondrana.hany ka lasa mifampiahiahy mandava-taona dia tsy misy fifampatokisana mihitsy.Io ilay mila fitsaboana . Manaraka ny ambiny rehetra rehefa manomboka mipetraka io fifampatokisana io dia ampiana fifanajana. Koa na misy aza fidiran’ny iraisam-pirenena an-tsehatra, tsy misy loza be atahorana hitranga eto rehefa mahay mifandamina, mahay mifanaraka, mahay mifanampy ny Malagasy.
RTT