airtel

Politique

06-févr-2026

Mahery Lanto, novonoina fa tsy maty…

Nalefan’ny Fanjakana hotsaboina any ivelany

Sample post image

Tao anatin’ny andro vitsy no efa

06-févr-2026

niparitaka ny vaovao fa hiazo an’i Lafrantsa hitsabo tena i Mahery Lanto Manandafy na Malama, ka omaly 05 febroary 2026 no fotoana voatondro hiaingany. Fantatra ankehitriny, fa niantohan'ny fitondram-panjakana tarihin'ny Filohan'ny Fanavaozana Kolonely Michael Randrianirina sy ny governemanta ny fitsaboana azy any ampitan-dranomasina. Naneho fankasitrahana i Doris Rakoto Samuel vadiny raha namoaka ny sarin’i Mahery Lanto Manandafy sy ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael. "Ity sary ity dia milaza zavatra maro, nanolotra ny tanany i Mahery dia Prezidi nandray azy tamim-pitiavana , nanohana azy hifikirany, nifampitantana izy mirahalahy mianaka. Raisiko ny tenin'ny anadahy iray izay hoe Mahery dia" symbole de la résistance" de "NOTRE RÉSISTANCE" toa azy io no niainantsika teto, novonoina isika rehetra fa tsy maty, ny endrika nisehoany no samihafa fa nopotehina isika. Miarina isika ary manarina, adidy masina », hoy i Doris Rakoto Samuel. Nomarihiny fa tsy mora izany, saingy efa manana Filoha mendrika ary sahy isika mitarika ny amin'izany ka, andao re hifampitantana, andao re hifanohana, andao re hifankatia ho an'ilay Firenena malalantsika, hoy hatrany izy. Namafisiny fa mba tsy iverenan'izao intsony eto amin'ity Firenena ity, dia arovana izay efa azontsika, ary mila mifampatoky isika. « Lasa soa aman-tsara nitsabo tena any ampita i Mahery, isaorana isika rehetra tsy anavahana tsy anilihana nanampy araka izay tandrifitsika avy, isaoranay etoana ihany koa ny fitondram-panjakana izay tarihin'i Kolonely Michael sy ny governemanta tamin'ny fiantohana ny fitsaboana azy. Ankinintsika amin'Andriamanitra ny fitsaboana azy fa ny dokotera dia fitaovana fotsiny ihany. Mifampivavaka isika , misaotra, misaotra , misaotra », hoy hatrany i Doris Rakoto Samuel. Tsara ny mampahatsiahy fa nogadraina sy natao tsy nahita mangirana nandritra ny Fitondrana Rajoelina i Mahery Lanto Manandafy noho ny fahasahiany nijoro nanatsikafona ireo zavatra tsy mety, indrindra fa ny zavatra mamoafady nataon’ny vahiny. Tandindon’ny jadona nataon’ny Fitondrana volomboasary izay tena namotika olona noho ny hevitra tsy mitovy. Ankoatra an’Itompokovavy Ninie Donie izay tsy namelana raha tsy maty, ireo Malagasy maty notifirina tamin’ny septambra-oktobra 2025 teo, ary ny vahoaka maro izay dobo ao anaty fahantrana noho ny tsy fahaiza-mitantana,… dia anisan’ireo nizaka ny mafy indrindra satria tena nisy fiantraikany goavana ara-batana sy ara-pahasalamana taminy ny fampahoriana natao azy, izay tena nampihetsi-po ny Malagasy maro, ka nahatonga ny maro naneho rehefa nahita ny toe-pahasalamany indrindra fa ny oktobra 2025 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey rehefa niongana ny Fitondrana Rajoelina, fa novonoina ankolaka fa tsy maty i Mahery Lanto Manandafy. "Mbola hivaly aminareo tsy ho ela", hoy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael", teny amin'ny 13 mey tamin'izany, raha naneho ny alahelony. Mirary fahasalamana ho an'i Mahery Lanto !
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap