airtel

Politique

25-sept-2025

Malalaka ny hetsika an-dalambe

sy filanjana sora-baventy

Sample post image

Efa nanome ohatra teny Behoririka sy Petite Vitesse ny Fanjakana…

25-sept-2025

Raikitra ny fanetsehana andian’olona nataon’ny fitondrana omaly teny amin’ny Faritra Petite Vitesse sy Behoririka. Nampilanjaina sorabaventy milaza hoe : « Tsena Behoririka, tsy mila korontana, avelao izahay hivarotra », « Izahay mpivarotra eto amin’ny Petite Vitesse dia tsy mila korontana sy ady politika. Aza elingelenina ny fitadiavanay ». Eny Ambohijatovo no fotoana nofaritana hanaovana ny hetsika fanehoana fa leo delestazy ho an’ny anio, saingy ny any Petite Vitesse sy Behoririka no ampilanjaina sorabaventy milaza fa tsy mila korontana. Nilaza sorabaventy sy nanao fihetsiketsehana ireo, saingy tsy nisy emmo-reg nanakana, ka inona tokoa moa no olana sy sakana raha manao tahaka izany ihany koa ny vahoaka leo delestazy ? Samy sora-baventy no lanjaina sy arantiranty fa ny voasoratra ao anatiny no samihafa ka inona no tokony hanakanana ny vahoaka hilanja hoe : « Leo delestazy », «Leo tsy fisian-drano,... » raha tena mpitondra demokraty sy matoky tena. Ny zavatra niseho omaly, dia mbola vao mainka karazana fandranitana avy amin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny mizana tsindrian’ila. Ny andaniny afaka manao hetsika an-kahalalahana tsy mila fangatahana, ary afaka nanohintohina ny fifamezivezena fa ny ankilany efa sokajiana sahady ho mpanakorontana sy mpandroba. Raha samy resaka fitadiavana, ny an’ireto olona hetsehin’ny Fanjakana ireto izany aseho fa sarotiny amin’ny fanelingelenana amin’ny fitadiaviany fa ny vahoaka maro potika fivelomana sy fihariana amin’ny delestazy tsy mampaninona ? Fampifandrafiana sy fanetsehana andian’olom-bitsy tahaka izao sisa no hitan’ny Fanjakana fa paikady entina miatrika ny krizy sosialy sy politika ? Moa tsy vao mainka mandrehitra afo!
Toky R
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

Mila mahatsapa fiovana tsara

Card image cap
09-oct-2026

teto, nofy ratsy ho azy mianakavy…

Card image cap
09-oct-2026

Miroso hatrany amin’ireo asa

Card image cap
09-oct-2026

Manentana ny herivelona rehetra hifanatona

Card image cap
09-oct-2026

hamafisina ny fanorenana!"

Card image cap