airtel

Politique

01-juil-2026

Manafosafo sady

mamelaka ny SADC…

Sample post image

Avelao hody ireo sesitany, avoahy ireo gadra politika! »

01-juil-2026

Nivoitra tao anatin'ilay fivoriam-be ampitain-davitra notarihin'ny Filoha Afrikanina tatsimo sady Filohan'ny SADC ny alatsinainy 29 jona 2026 teo ny firesaka diplaomatika izay nanamafisana ny fanohanana ny tondrozotra efa natombok’i Madagasikara, miampy fanmafiana ny famporisihana ny Governemanta malagasy, tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina, Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, mba hanaja ny fampanantenany amin’ny fanavaozana mazava, miaraka amin’ny fandaharam-potoana voafaritra sy mangarahara, misokatra ho an’ny herivelona rehetra ary hampielezana izany amin’ny fitenim-pirenena eto. Nandray anjara feno tamin’io moa ny Filohan’ny fanavaozana. Niverina hatrany ny fampahatsiahivana ny maha-zava-dehibe ny fitandrovana ny lalàna sy ny demokratika, tamin’ny fanamafisana fa andrasana ny fanavaozana mba hamerenana ny filaminana ara-panjakana sy hananganana governemanta voafidy ara-demokratika, manaja ny fahavononan’ny vahoaka malagasy. Naverina ny filazana fa mila fifampiresahana andraisan'ny rehetra anjara na "dialogue inclusif" sy fampihavanam-pirenena, ary ny fanatanterahana fikaondoham-pirenena mandritra ny vanim-potoanan’ny tetezamita. Nampirisika ny governemanta, ny Filankevitry ny Fiangonana kristiana, ary ny antoko rehetra mba hiasa amin’ny fahamarinana, hanaja ny Lalàmpanorenana, ary hitady marimaritra iraisana.
AVELAO MALALAKA IREO SESIN-TANY SY GADRA POLITIKA
Toy ny efa nambarany ny 17 desambra 2025, naverin'ny SADC indray ny hoe mila avotsotra ireo gadra politika, atsahatra ny fisamborana tsy ara-dalàna ireo mpitarika ny mpanohitra sy ireo mpikambana ao amin’ny Génération Z, ary koa ny fiverenana an-tanindrazana ho an’ireo sesiitany politika. Izay ny fomba fijerin'ny SADC izay lojika araka ny toerany ary heverina fa tsy mivaona firy amin'izany ireo antanan-tohatra Iraisam-pirenena manaraka azy araka ny "principe de subsidiarité" toy ny Vondrona Afrikanina izay efa nilaza fa mbola tsy afaka mandray anjara feno amin'io rafitra io raha tsy efa misy mpitondra voafidy ara-demokratika. Mazava ho azy fa na eo aza ny fomba firesaka sy fiaraha-miasa diplaomatika, dia misy lanjany amin'ny fanapahan-kevitra lehibe sy fiaraha-miasan'i Madagasikara amin'ny Vondrona Iraisam-pirenena, mpamatsy vola,... itony fehin-kevitry ny SADC itony. Ny mahagaga fotsiny, dia toa minia jamba ny SADC sy ny rafitra hafa tamin'ny jadona nataon'ny Fitondrana teo aloha niarovan-tseza, faty olona efa 22 raha ny tatitra Iraisam-pirenena ihany, ny habibiana tonga hatrany amin'ny fandorana volona vehivavy,... kanefa mivoy mafy sy manome lesona amin'ny resaka demokrasia. Moa tsy tokony ho isan'ny nanampy an'i Madagasikara tamin'ny fitoriana Iraisam-pirenena mikasika fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny maha olona na "crime contre l'humanité" sy vonomoka na "génocide" ihany koa ve ireny rafitra ireny?

ATY AMINTSIKA MALAGASY NY FANALAHIDY...
Manana ny fijeriny araka ny toerana sy ny fenitra misy azy ny SADC ary tsy afaka hidingin-drambo toy ny nataon-dRajoelina sy ry Jeneraly Ravalomanana tamin’ny 2009 isika hoe : « alefaso aty ny SADC hanaovanay fanazaran-tena », kanefa izao miantso vonjy amin’ireo, saingy lasa misy endrika fanadiovana ny tsimatimanota ho an'ny Malagasy. Ekena fa ilaina ny fampihavanam-pirenena fa tsy lojika kosa ny famelana malalaka ny mpamono olona noho ny antony politika, ny afera maizina mikasika ny fitantanana,... kanefa toa teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza ny hoe avelao hody ireo sesin-tany, avoahy ny gadra politika,... Ny mety amin'ny vazaha tsy voatery ho mety amintsika ! Efa mazava ary inoana fa tsy hiova firy ny fomba fijerin'ireo rafitra Iraisam-pirenena, mitohy ireo karazana tsindry sy vely kanota ankolaka kanefa mitohy ny ezaka ara-diplaomatika ataon'ny Fitondrana fa tsy toy ny tamin’ny 2009,... Hita taratra hatrany amin'ny lafiny toekarena sy sehatra stratejika ny vely kibay. Mandeha ny ezaka diplaomatika fa anjarantsika Malagasy ihany koa no mijery hoe: inona sy mankaiza marina ny làlana mahomby hanarenantsika ny Firenena? Inona ny lamina hahafahana mametraka Fitondrana tsy hambabo Fanjakana na "capture d'Etat" hampanankarena olom-bitsy sy mafia fa hampahantra vahoaka ? Inona ny rafitra hitondrana ny Firenena hisian'ny firaisam-pirenena sy ny fampandrosoana manome anjara masoandro ho an'ny Malagasy rehetra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-juil-2026

io na 6 taona aza vao vita»

Card image cap
21-juil-2026

Mampametra-panontaniana mihitsy

Card image cap