airtel

Politique

19-juin-2026

Mandeha ny ketrika

ao Tsimbazaza ? Voafidy sahady ireo

Sample post image

solontena ao amin’ny HCC…

19-juin-2026

Raha ny alarobia17 jona 2026 teo no fantatra ofisialy ny fametraham-pialan’ireo mpikambana 2 teo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, Atoa isany Noelson William sy Rasolo Nandrasana Georges Merlin izay samy mpalotsaina ambony, dia omaly 18 jona ihany dia nirosoana ny fifidianana. Nalefa teny amin’ny Facebook ny fampahafantarana fa izay te hirotsaka dia alefa ny CV (Curriculum Vitae), dika mitovy amin’ny diplaoma ambony indrindra amin’ny resaka lalàna, sary tapaka roa. Ny maraina na atoandro no nivoaka io. Nisy fanintsiana ny fandaharam-potoan’ny Antenimierampirenena ka nitohy tamin’ny fifidianana ireo ho solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’ny HCC ny hariva. Kandida 4 no nifaninana tamin’ity fifidianana ity ka ny 3 amin'izy ireo no tonga teny Tsimbazaza. Depiote 91 tamin’ny 163 no tonga nifidy. Lany tamin’ny isam-bato 89 manome taha 98,99% tamin’izany Andriamatoa RAZAFINDRAMASY Faralahy Célestin, Solombavambahoaka voafidy tao Benenitra, sy Andriamatoa VAZISON Honoré, Mpitsara, « premier président cour d'appel » ao Toliara, izay lany tamin’ny isa 77 manome taha 85,56%. Nahazo isa 5 kosa ANJARISON Ken, raha 9 RAMADANY Abderman Omar Mpahay lalàna mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Somary nanaitra ihany ny endri-pifidianana, izay nifidy olona roa avy izany ny depiote tsirairay, raha raisina amin’io, ka raha natambatra ny isan’ny vato azon’ny rehetra dia manome 180. Teo ny toa nanaovana azy antemantemaka, toa efa vita kajy tao anatiny tamin’ny alalan’ny efa fifanomezana toromarika,… Inona no hamehana nanaovana hazakazaka arahin-tosika sa misy ketrika sy kajy politika tiana hahatongavana ?
HAFAHAFA HATRANY AM-BOALOHANY…
Nanokatra adihevitra mifandraika amin’ny lalàna sy ara-politika anefa hoe : inona no nampihazakazaka. « Fametraham-pialana no resaka, nametra-pialana ny mpikamban’ny HCC roa. Efa namaly an’izay ve ny Fanjakana sa tsia, amin’ny alalan’ny didim-panjakana manambara fanamarinana fahabangan-toerana sy manainga ny solombavambahoaka hifidy ny solony. Raha tsy misy an’izay dia azo foanana iny. Mbola azo hanafoanana azy ihany koa ny tsy fampahafantarana ny vahoaka ny fametrahana antontan-taratasy sy ny hanaovana fifidianana », hoy ny mpitsara sady Filohan’ny SMM toa Atoa Clément Jaona mikasika ny sary nitranga teny Tsimbazaza. « Tsy hoe 8 andro aorianany fa ao anatin’ny 8, izany hoe na iray andro aoriana », hoy RAZAFINDRAMASY Faralahy Célestin iry ain’ireo lany. Milaza ity farany fa voamarin’ny Filoha ny fahabangan-toerana. Tsiahivina moa fa faritan’ny didy hitsivolana na ordonnance) n°2001-003 ao amin'ny andininy faha-8 sy faha-10 fa : ny fanoloana ny mpikambana voafidy iray ao amin'ny HCC dia tsy azo atao raha tsy voamarina ny fisian'ny fahabangan-toerana sy antony mazava toy ny fahafatesana, tsy fahafahana manatanteraka ny asa ary fametra-pialana. Voafaritry ny andininy faha-114 ao amin'ny Lalàmpanorenana ihany koa ilay « mandat impératif » maharitra 7 taona, fe-potoana fiasan'ireo mpikambana ao amin'ny HCC.Hafahafa hatrany am-piandohana satria mbola tsy nisy fametraham-pialana no efa niketrika fanoloana ireompikambana 2 solontenany ny Antenimierampirenena, ka nanohitra izany Noelson William sy Rasolo Nandrasana Georges Merlin saingy ireny niala ireny. Nialohan’izay, nipoitra ny raharaha fangatahana fanenjehana ara-pitsarana ho an’ny mpikamban’ny HCC 4 ka anisany izy roa lahy sy ireo roa solontenan’ny Antenimierandoholona. Asa izay niafaran’ilay fanenjehana ara-pitsarana ? Asa hanao ahoana ireo mpikambana roa hafa ? Mety lojika ara-politika satria tamin’ny andron’ny teo aloha, fa ny fomba nahatongavana taminy no toa hafahafa ? Taratry ny sary politika mbola mety hitranga aoriana ve ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-juin-2026

amin’ny ara-dalàna no tokony hapetraka!»

Card image cap
18-juin-2026

Raha somary nangingina ilay raharaha

Card image cap
18-juin-2026

Mahay miasa aho ! », hoy ny Filohan’ny

Card image cap