Nangingina sy tsy dia nisy tohiny intsony ny raharaha Jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana taorian’ny fanekeny hiazo ny Toby Ratsimandrava ny 27 desambra, taorian’ny nilazany ny 24 desambra, fa misy mikasa hanafika ka efa namoahany basy sy nanaovany hafatra veloma mandrapihaona fa hanohitra sy vonon-ko faty izy, raha misy sahy manafika azy. Na ny toerana itazonana azy aza tsy mazava fa dia resaka tsy ofisialy no niparitaka, fa tazonina amin’ny toerana manokana voaara-maso na « résidence surveillée ». Omaly 14 janoary kosa, nivoaka ny fampahalalam-baovao, fa mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fitazomana azy eny Fiadanana. Mbola tsy voafaritra mazava ny faharetan'izany, vokatry ny hasarotan'ny raharaha sy ny dingana vaovao amin'ny fanadihadiana lalina amin'ireo fitaovana nomerika nogiazana toy ny finday, solosaina, « clé usb » sy « disques durs » izay natolotra ny sampan-draharahan'ny ady amin'ny heloka an'habaka eo anivon'ny Zandarimaria-pirenena, hoy ny fampahalalam-baovao. Tsara ny mampahatsiahy, fa "Atteinte à la sûreté intérieur de l'Etat" na fanohintohinana ny filaminana anatin'ny Firenena no tao anatin’ny fampanantsoana izay naforiporitra. Ny fanazavana nataon’ny manampahefana ny androtr’io 27 desambra no nanamafay fa ny Fitsarana Ambony na ny HCJ no mandray ny raharaha mahakasika ireo Filohana andrim-panjakana, saingy araka ny andininy faha-134 amin'ny lalàmpanorenana, dia andraikitry ny eny amin'ny Fitsarana tsotra ny raharaha fanenjehana tsy misy ifandraisany amin'ny asa naha lehibena andrim-panjakana. Henjana ny vesatra : herisetra niaro faty olona, betsaka ny fitarainana tonga teo anivon'ny Fitsarana, Minisiteran'ny Fitsarana,... Navoitra fa nandray toerana tsy tokony ho azy, nanao fitsabahana na "usurpation de fonction" tsy tao anatin'ny andraikitra maha Filohan'ny Antenimierandoholona,... Ahiana ho nanome baiko mpitandro filaminana nandritra ny fihetsiketsehana ny volana septambra sy oktobra. Izy tenany nivantana no nidina teny an-kianja ny 25 septambra 2025. Ny 27 desambra no efa nilazana fa misy vesatra maro sy efa fahangonana porofo, ka anisan'izany ny firaisana tsikombakomba tamin’ny famonoana olona an-tsitrapo, firaisana tsikombakomba amin’ny fanararaotana ka nahatonga ratra, fanararaotana ara-bola, ary fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, … Asa hanao ahoana ny tohiny satria manana satana Filoham-panjakana teo aloha ihany koa ity manamboninahitra misotro ronono tanàn-kavanan’i Andry Rajoelina nanomboka 2009 ity ?
Toky R
Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana