Profesora Raymond Ranjeva, izay mielim-pandrana maneran-tany (Eoropa, Afrika, Amerika, Asia, Madagasikara,…). Maro no voalaza fa nandray anjara tamin’izao, naneho ny fijeriny momba ny fifanoheran-kevitra eto amin’ny firenena, indrindra fa ny lafiny lalàna, izay navoitran’izy ireo fa tena misy ny toa lasa mivaona tanteraka, tsy mifototra amin’ny fampiharana ny lalàna ny fanapahan-kevitra,… ka azo tsikeraina tsara. Nomelohin’izy ny teny sy fandrahonana ny Profesora Raymond Ranjeva taorian’ny fanazavana momba ny lalàna nentiny tao anatin’ny asa fanelanelanana hoenti-mamaha ny olan’ny firenena ankehitriny. Isan’ny zavatra nambaran’ny Profesora Raymond Ranjeva moa ny hoe : « Tena ny HCC no fototr’izao savorovoro izao. Tsy manaraka ara-bakiteny ny lalàna ny HCC,… ». Mifandraika amin’io ny fanapahan-kevitra nanomezana fahefana ny governemanta sy ny Filoham-panjakana mpisolo toerana izay voalazany fa tsy ara-dalàna, ka ny didy sy fanapahan-kevitra raisin’ireo momba ny fifidianana dia tsy araka ny lalàmpanorenana sy ny lalàna manankery. Nahitsy ireo mpianany naneho, fa sangany tsy iadian-kevitra amin’ny tontolon’ny fitsarana iraisam-pirenena ny Profesora Raymond Ranjeva, ary isan’ireo avara-pianarana Malagasy nitondra avo ny voninahi-pirenena tamin’izany sehatra izany, ka tsy rariny loatra ny fanenjehana sy fanasokajiana azy ho olon-doza. Tsara ny mampahatsiahy, fa nosokajian’ny governemanta ankehitriny ho vovonan’ny mpanohitra mitady hanongam-panjakana ny vovonana mpanelanelana tarihin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny FFKM, izay ahitana ny Pr Raymond Ranjeva. Nandray anjara tamin’io Video-conference io ny Mpitsara, mpisolovava, mpahay lalàna, mpampianatra, adminisitera sivily, tahaka an-dry Maitre Eloi Ratefimahefamijoro, Maitre Bakoly Rakotomalala, Cyrille Rasambozafy Filohan’ny Fikambanan’ny Grand Sud Est, Maitre Luc Rakotonirina, Elysée Ratsimanify mpampianatra momba ny lalàna sy siantsa politika, Gerard Razafindratsima mpampianatra momba ny Ekolojia, Mboara Andrianarimanana « consultant international » momba ny sehatry ny fitantanana, Erick Rabemananoro, Docteur en science politique, Lala-Andrianasolo Hanitra, Magistrat de premier grade, Jean de Dieu Raveloson, admnistratera sivily,...
Toky R
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara