filazàm-baovao nifamahofaho. Maty sa tsy maty? Maro no somary velom-bolo rehefa mbola naharay vaovao fa mbola anaty fitsaboana fa tsy nodimandry izany ny Namana Faniry Razafimanantany. Minitra vitsy monja taorian’izay ihany anefa dia nanamarina ny vadiny fa tena nodimandry teo amin’ny faha 48 taonany i Faniry Razafimanantany, mpanao gazety, mpamakafaka, mpanao politika. Fantatra tamin’ny fahaizany mifandray aman’olona maro sy tsy ifidianana firehan-kevitra. Mpikambana teo anivon’ny antoko politika Tiako i Madagasikara sy ny vovonana politika NGPM na Nouvelle génération politique de Madagascar no nahafantarana azy farany teo amin’ny tontolo politika ary nitarika ny hetsika AFP na Antso fanavotam-pirenena ihany koa tany amin’ny taona 2016 sy 2017 tany. Mahitsy fiteny sy tsy miolakolaka. Isan’ny toetra nahalalàn’ny maro azy fahavelony ireo. Namela manano-tena sy zanaka miisa 5 moa Itompokolahy, noho izao fodiamandriny izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
Nangonin’i J. Mirija