airtel

Politique

30-janv-2026

Namaly ny Filoha teo aloha

sy ny resabe maro i Kolonely Michael "!"

Sample post image

Tena anaty lalàmpanorenana isika! Misy voakarama hanakorontana saingy…

30-janv-2026

Nitondra setriny manoloana ireo resabe sy fanehoan-kevitra politika mafana izay misy ny mitsikera mafy ny Fitondrana ankehitriny ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael omaly, raha niatrika lanonana ara-miaramila fanomezana galona manambonihitra jeneraly teny amin'ny RFI Ivato omaly maraina. Eo anatrehan'ny fisiana fampiakarana galona an'ireo manamboninahitra indrindra ireo niaraka nijoro taminy kanefa izy mijanona ho Kolonely, dia nilaza ny tenany fa entiny hanehoana fa tsy galona no nitsanganany fa ho an'ny vahoaka. Ny voninahitra farantampony, hoy izy, efa nomen'ny vahoaka ahy, ka ampy ahy izay fa tsy mila omena an'iny fa aleho ho an'ny miaramila ny laharam-boninahitra. "Kolonely Michael" no nahalalan'ny vahoaka ahy nanomboka ny 11 oktobra 2025, dia aleo hijanona amin'io, hoy ny Filoham-panjakana. Misy ny resabe mandeha mikasika sidina mivoaka sy miditra Dubaï-Madagasika, ka raha nanontanian'ny mpanao gazety, dia naneho fa na ny tenany aza tsy mahafantatra sy tsy mahalala ny fisian'izany sy izay tao anatiny. Tsy mahalala izay tao anatiny aho fa samy manontany ny any amin'ny ACMACM (Aviation Civile de Madagascar) isika fa eto Aho izao vao maheno an'izany", hoy izy.

TSY MISY MIBAIKO, MISY KARAMAINA HANAKORONTANA,…
Mandeha ihany koa ny filazana fa baikoan'ny olom-bitsy ny Kolonely Randrianirina Michael amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra, ka anisany ny Minisitry ny Fitsarana. Tsy misy olona mibaiko ny Filoham-panjakana eto, ary ny Minisitra indray manana ny asany izy hataony, fa ny Filoham-panjakana tsy misy mibaiko azy hatreto na iza na iza. Eo anatrehan'ny fisian'ny olona manambana hanao hetsika toy ny hoe "alatsinainy mena", dia nahitsy ny Filoham-panjakana nilaza fa ny olona manao an'ireny dia olona mahazo vola,... "Olona karamain'olona izy ka raha mahatarika vahoaka izy dia manandrama raha mahatarika vahoaka fa ny Malagasy tsy hanaraka anao amin'izany", hoy ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael. Nanamafy ny eo anatrehan'ny hoe inona ny laharam-pahamehana ho an'ny Fitondrana indrindra eo anatrehan'ny olam-bahoaka, ka nampahatsiahiavany fa efa nandeha ny PGE-R (Programme Générale de l'Etat pour la Refondation), ny ataon'ny Fitondrana amin'izao dia mamaly aloha ny hetahetam-bahoaka, ny fitakiana teny an-kianja,...

NITONDRA SETRINY TAMIN'NY TENY NATAON'NY FILOHA TEO ALOHA
Nisy ny filazana nataon'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nitafa tamin'ireo iraky ny SADC fa tsy anatin'ny lalàmpanorenana intsony i Madagasikara, misy disadisa sy tsy mazava ny fitantanana, tsy mazava na "intérim" na "transition" isika, ary raha "intérim" dia efa tapitra ny 60 andro,... Ny Filoha teo aloha izay nilaza fa efa miezaka ny Fanjakana mamaha ireo olana sosialy toy ny olan'ny jiro sy ny rano fa ny olana politika indray izao no mila jerena. Nahitsy kosa ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael nilaza hoe: "asaivo hazavainy ilay zavatra tenenina fa tsy miteny fotsiny na manao "affirmation gratuite", fa izahay mahatsapa fa manaraka lalàna. Ny HCC no nanome an'io noho ny fahefana "pouvoir régulateur" ananan'ny HCC eran-tany no nampiasainy nandaminana an'io zavatra io.". Nambarany fa mbola ao anatin'ny lalàmpanorenana tsara isika amin'izao, ireo andrim-panjakana mbola tsy niova, ka tsy itako, hoy ny Kolonely Randrianirina Michael hoe: inona amin'izay no tsy ao anaty lalàna? "Milaza izy fa efa tapitra ilay 60 andro ka sao dia tsy maharaka vaovao ary ilay olona miteny an'ireny, fa mba angatahako ireny mba ho ao amin'ny HCC hijery ny didy navoakan'ny HCC tamin'ny novambra 2025 izay nilaza fa tsy ho tratra ao anatin'ny roa volana ny fanaovana fifidianana noho ny antony maro fa miankina amin'ny zava-misy no hanaovana fifidianana. Izay ny didy farany navoakan'ny HCC ka tokony mba hamaky an'izay ilay olona", hoy ny Kolonely Randrianirina Michael. Mikasika ny fanovana governemanta kosa, nambarany fa mbola ao anatin'ny tombana amin'izao, ary tena mbola miasa mafy ny governemanta ka tokony ho izay asa mafy izay aloha no jerena fa mandeha io tombana io, raha ny filazany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

miaraka amin’ny Rosianina…

Card image cap