immunité parlementaire » an’ny depiote Naivo Raholdina, taorian’ny fangatahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana. Nandritra ny fivorian’ny Birao maharitra ny alatsinainy teo no nandraisana izany fanapahan-kevitra izany, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko. Voasambotra ny 2 mey rehefa niverina teto Madagasikara avy nanao fitsaboana tany ivelany, ity depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo renivohitra ity, izay tsy hita popoka nanomboka ny 25 septambra 2025, rehefa nisy ny hetsi-bahoaka, nitarika tany amin’ny faharavan’ny fitondrana Rajoelina. Voatonona sy voarohirohy amin’ny raharaha maro mifandraika amin’ny fangalarana tany maro, indrindra ny fiampangana azy ho nanao fanodikodinana tany narahina herisetra, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo ny 5 mey 2026 lasa teo. Heverina fa sarotsarotra ny lalan-kivoahana ho an-dRaholdina, ary mety hitombo ny dosie mikasika azy, toy ny herisetra, setrasetra, fanararaotam-pahefana,... Ity fanesorana ny fiarovana ara-parlemanta ity dia manokatra ny làlana ho amin’ny fitohizan’ny fitsarana manoloana ireo vesatra satria raha tsiahivina dia voafaritry ny andininy faha-73 amin’ny lalàmpanorenena, fa « ny solombavambahoaka sy ny senatera dia tsy azo enjehina, tsy azo tazonina, na tsy azo samborina noho ny hevitra na ny safidy ataony mandritra ny fanatanterahana ny andraikiny. Raha misy heloka bevava na fanenjehana, dia tsy azo samborina na tazonina ny solombavambahoaka raha tsy amin’ny alalan’ny fahazoan-dalana avy amin’ny Antenimieram-pirenena (ho an’ny solombavambahoaka) na avy amin’ny Antenimieran-doholona (ho an’ny senatera), afa-tsy amin’ny fahatrarana ambodiomby. Ny Andininy faha-74 no mamaritra, fa raha misy fangatahana avy amin’ny mpampanoa lalàna na ny fitsarana, dia ny Birao maharitra ao amin’ny Antenimiera no mandinika sy manapa-kevitra momba ny fanesorana ny « immunité parlementaire ». Raha ekena ny fangatahana, dia afaka manohy ny fanenjehana sy ny fitsarana ny rafitra ara-pitsarana ». Io no mety hampihisatra ny fanenjehana raha misy depiote voarohirohy amin’ny amin’ny afera maizina satria tsy maintsy mandalo fankatoavan’ny Birao maharitra ny fanesorana ny « immunité parlementaire ». Iny nambaran’ny Filohan’ny Antenimierampirenena ny alatsinainy teo iny ohatra ny hoe : « Tan-dalàna isika, ao anatin’izao fivoriana izao, ny fitoriana rehetra ireo solombavambahoaka tsy afaka horaisina, fa rehefa tapitra ny fivoriana ara-potoana dia afaka mitory. ».
SAO LASA FIALOKALOFAN’NY MAFIA NY ANDRIM-PANJAKANA ?
Andrasana ny hafa ! Mbola betsaka ireo dosie mahakasika depiote izay maro ny olom-pirenena no mampahatsiahy, saingy etsy Tsimbazaza ny teny farany. Lasa adihevitra moa amin’izao fotoana izao ity resaka « immunité parlementaire » ity hoe sao tokony hofoanana, fa zary lasa manome endrika fa fialokalofan’ny mafia ny andrim-panjakana ? Firifiry tokoa moa ireo depiote, ireo minisitra teo aloha nanana dosie, mpandraharaha voarohirohy amina afera maloto,… no lasa mialokaloka amin’ny zo tsy azo henjehina ao Tsimbazaza. Mitovy amin’ilay hoe minisitra na filoham-panjakana sy filohana andrim-panjakana teo aloha manana dosie maloto dia tsy maintsy mahazo fankatoavana ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ny alalan’ny « mise en accusation » vao mandeha ny raharaha. Ny mpangalatra akoho ihany no tonga dia migadra fa ny mety mangalatra miliara mbola azo ampitarazohana ?
Toky R