airtel

Politique

04-juin-2026

Nikaon-doha

ny Filoha, FFKM, Praiminisitra,…

Sample post image

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

04-juin-2026

araka ny efa nambaran’ny Filohan’ny Fanavaozana tamin’ny fandaharana manokana nataony ny faran’ny herinandro teo dia fotoana natokana hivorian’ireo lohan’ny mpisorona aloha ny andron’ny omaly 3 jona 2026 hamehezana tsara ny fandaminana sy hijerena ny lalana tokony hizorana amin’ny Fikaonandoham-pirenena. Nisy noho izany omaly tolakandro ny fivoriana stratejika notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël notronin’ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana mirahalahy dia ny Jeneraly Marcellin RANOELSON ZAFITASONDRY sy ny kôlônely RAMPANARIVO Thierry. Nandray anjara tamin’izany kosa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta RAJAONARISON Mamitiaina, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana RAZAFIMANANTSOA Hanitra, ny Filohan’ny EEM no sady Filohan’ny FFKM amin’ity taona ity Mgr Samoela Jaona RANARIVELO, ny Filohan’ny FJKM Pasteur Zaka Hary Masy ANDRIAMAMPIANINA, Andry FIANIKINANA nisolo tena ny Filohan’ny FLM ary ny Filohan’ny Ekar Mgr Jean de Dieu RAOELISON. “Aoka mba ho ny tombontsoa ambonin’ny Firenena na ny « Intérêt supérieur de la Nation » no hokatsahintsika eto fa tsy hisy kajikajy na fitiavantenan-tena satria miankina amin’ity fihaonantsika ity ny hoavin’i Madagasikara” hoy ny Filoha RANDRIANIRINA Michaël teo am-panombohana ny fotoana, araka ny tatitry ny Fiadidian’ny Repoblika. Teboka 3 lehibe no navoitra : Ny FFKM no mitarika ny fikaonandoham-pirenena. Izy no tompon’andraikitra amin’ny fitondrana sy fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena manerana ny Nosy. Hisy ny Komity teknika hiforona eny amin’ny Primatiôra, ary hanomboka hiasa amin’ity herinandro ity mba handinika sy hanapaka ny pitsopitsony rehetra amin’ny fikarakarana. Ny Ministeran’ny Fanavaozana kosa manohana ny FFKM amin’ny lafiny rehetra : ara-teknika, ara-pitaovana, ara-kevitra manomboka any amin’ny fokontany ka hatrany amin’ny sehatra nasionaly, mba hahatontosa tsara ny Fikaonandoham-pirenena. Hivory amin’ity herinandro ity ny komity teknika hanapaka ny antsipiriany rehetra. Hisy fampiofanana ho an’ireo rantsa-mangaika hiasa eny amin’ny kaominina, distrika ary faritra miaraka amin’ny FFKM,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap