nandray didy manafoana ny Antenimierampirenena i Andry Rajoelina, saingy notsipahin’ireo depiote. Raha teo am-pikononana ny pitsopitsony momba ny fitsipaham-pitokisana izay voafaritry ny andininy faha-131 amin’ny lalàmpanorenana mantsy ny depiote, dia ny an-dRajoelina no nataony tonga aloha, dia ny fanafoanana io andrim-panjakana io. Voafaritry ny andininy faha-60 amin’ny lalàmpanorenana ny fahafahan’ny Filoham-pirenena mandrava io andrim-panjakana io. Notsipahan’i Tsimbazaza sy nosokajiana ho tsy ara-dalàna izany satria nambara ho tsy nakana ny hevitry ny Filohan’ny Antenimiera izay fepetra voafaritr’ilay andininy ao anaty lalàmpanorenena ankoatra fakan-kevitra tamin’ny Praiminisitra. Nokianina ihany koa ny tsy fisiana sonia sy fitomboka, ary tsy teto Madagasikara i Andry Rajoelina tamin’ny famoahana azy, kanefa nolazaina fa teto Antananarivo. Nivadika tamin-dRajoelina hatramin’ireo mpanara-dia azy, tratra ny fetr’isa takiana nahafahana nanongana an-dRajoelina, dia ny 2/3 amin’ny mpikamban’ny Antenimiera, izany hoe : 105 amin’ny 163 no ilaina. Nihoatra anefa io, satria tamin’ireo depiote 131 tonga nifidy sy nanendry olona hisolo azy (Procuration) dia nanao « eny » avokoa ny 130 raha vato maty kisa ny iray. Midika io, fa na ny IRMAR aza nivadika satria tsy ho tratra mihitsy ny fetr’isa raha tsy nisy an’izay. Notsipahan’ireo depiote lany tamin’ny antokony i Andry Rajoelina rehefa, izay niezaka namoaka serasera mitsipaka ny ambarany fa fanonganam-panjakana ataon’ireo depiote teo lazainy fa depiote aloha. Niezaka nikiribiby nanao serasera ihany koa i Andry Rajoelina nilaza fa fanonganam-panjakana ihany koa no nataon’ny miaramila tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina teny Ambohitsorohitra, saingy tampina tanteraka ny daomin’ny Filoha izay nitsoa-pahana nanao sesin-tany ny tenany any ivelany, rehefa namoaka didy ny mitondra laharana 10-HCC/D3 ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC fa voamarina ny fahabangan-toeran’ny Filoham-pirenena ka tsy afaka manao ny asany na « abandon de pouvoir» izay hahafahana manala azy amin’ny toerany araka ny andininy faha-52 amin’ny lalàmpanorenana. Na ny HCC izay misy olony aza niova rehefa niova ny fifandanjan-kery. Miezaka manao serasera miantso ireo sehatra avy any ivelany sisa ataon’i Andry Rajoelina. Anisan’izany ny SADC izay raha tsiahivina ny 2009 dia rafitra isan’ny namaivaniny fatratra, ka nilazan-dry Jeneraly Ravalomanana Richard tamin’izany fotoana hoe : alefaso aty ny tafiky ny SADC hanaovanay fanazaran-tena. Miezaka mitady ny fomba rehetra hilatsahan’ny sazy iraisam-pirenena i Andry Rajoelina ankehitriny, saingy raha ny sary nitranga dia famindram-pitantanana ara-dalàna noho ny fahangan-toerany no nataon’ny HCC fa tsy « coup d’Etat militaire ».
Nikatona ny pejy ho an-dRajoelina izay nofy ratsy ho an’ny Malagasy niainga tamin’ny famotehana taorian’ny 2009. Tsy nanaiky ho diso sy nanamarin-tena mandrakariva, niheritreritra ho amperora ka nampiteny vola sy ny basy, nihevitra ho tsy maty manota, nandetika ny Firenena,… saingy izao tokoa angamba ilay hoe : « ny tody tsy misy fa ny atao no miverina », na « karma existe » hoy ny vahiny. Lesona ho an’ny rehetra izao, indrindra fa ny mpanao politika. Vao dingana iray no vita, mbola henjana ny miandry. Fotoana izao tena hanarenana ny Firenena ka ho lasan’izay 16 taona izay anie ny ratsy rehetra ! Mitaky asa sy adidy anefa izany izany na ho an’ny Mpitondra na ho an’ny vahoaka !
Toky R