Omaly Alarobia 01 Jolay indray vao heno ny vondrona politika LES AS, tarihin'Atoa Voninahitsy Jean Eugène. Nambarany fa manohana ny fitondrana Fanavaozana sy ny politika entiny amin'izao fotoana izao izy ireo no sady mametraka fahatokisana feno ihany koa. Niantso ny FFKM ity vondrona Politika ity nandritra izany mba hanafaingana ny fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena hahafahana miroso amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena vaovao indray. Nangataka ny Filohan'ny FANAVAOZANA hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka koa ny Les AS raha toa ka maniry izany izy sy mahafeno ny fepetra ara-dalàna ihany koa . Amin'izy ireo mantsy dia olona manana traikefa sy fahaiza-mitarika afaka mitondra ny Firenena tsara ny kolonely Michaël Randrianirina. Mahakasika ny fanambaran'ny SADC niteraka resabe kosa dia nambaran'izy ireo fa Firenena mahaleo tena i Madagasikara ka tsy voatery hanaraka ny hevitra rehetra havoakan'io vondrom-paritra io. Tsy misy gadra politika eto Madagasikara raha ny fahitan'ny Les AS azy ary afaka mody an+tanindrazana malalaka ireo mpanao politika nanao sesitany ny tenany any ivelany saingy izy ireo angaha no mahana ny ratsy nataony teto amin'ny tany sy ny Firenena ka mahatonga azy ireo matahotra hoy hatrany ny vondrona les AS.
Pati
Légende : Nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly ny vondrona LES AS !
Nifarana ny fitsidihana ofisialy