Nitsimbadika ny rasa ao Tsimbazaza, niala tsy ho ao anatin’ny Vondrona Parlemantera IRMAR ny depiote maro mandrafitra io Vondrona io raha ny fanambarana tetsy Tsimbazaza ny faran’ny herinandro teo. Misy antoko sy fikambanana maro ao anatin’izany, izay nilaza fa rehefa nahita fa nisy ny fanambarana tsy nisy sonia, tsy nisy feo, tsy nisy video, nampiasana ny sarin’izy ireo taloha, dia niroso tamin’ny fanambarana. Ny herinandro lasa teo izay nisy fanambarana nataon’ny IRMAR fa mbola izy ireo no maro an’isa, manana depiote 106, tsy mbola nisy nametra-pialana. Nitsimbadika nanomboka ny sabotsy teo satria nambaran’ireo depiote hoe : « 80%-n'ny Solombavambahoaka lany tamin'ny vondrona IRMAR izahay no nametra-pialana tsy ho ao anatin'ny vondrona parlemantera IRMAR eto anivon'ny Antenimierampirenena intsony. ». Eo ny vondrona sy Antoko na Fikambanana, fa Solombavambahoaka aloha izahay ary toy ny vahoaka ihany ka rehefa nahatsapa ny taraina sy fitakiana ireo zo fototra nataon'ny tanora sy ny vahoaka kanefa tsy takona nafenina fa nisy ny herisetra ho valin'izany, hoy hatrany izy ireo. Nanapa-kevitra fa nametra-pialana an-tsitrapo rehefa nifandinika fa nametra-pialàna tsy ho ao amin'io vondrona parlemantera Irmar io intsony fa hiarahanarina ny fiainan'ny vahoaka sy ny Firenena amin'izay anjara tandrify anay miaraka amin'ny Fitondrampanjakana tarihin'ny Filohampanjakana Colonel Michael RANDRIANIRINA. « Mpanao lalàna izahay ka tsy maintsy manara-dalàna. Nandritra ireny korontana ireny, dia niarahana nahita fa tahaka ny tany tsy misy Fanjakana. Nisy ny herisetra, fanimbana fananan’olona, naratra, eny fa nisy mihitsy ny namoy ny ainy. Nandalo vanim-potoana sarotra sy feno herisetra ny Firenena, ka isaorana ny miaramila sy ny HCC nandray andraikitra », hoy ireto IRMAR nivadika ireto. Milaza izy ireo fa tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny fikasana handrava ny Antenimierampirenena, ka lavin’izy ireo marin-drano. Ny fahasahian’ny miaramila sy ny HCC andraikitra no nampiverina indray ny filaminam-panjakana sy filaminam-bahoaka. Noho izany, nanambara fa handrafitra ny « majorité présidentielle » ahitana ny UPAD, JPRI, ary ireo IRMAR niala. Nilaza fa vonona hanatanteraka ny hetahetam-bahoaka sy ny lalan-tsaina sy soatovina noraketin’ny tolona. Nivadika tanteraka tamin’i Andry Rajoelina izany ireto depiote ireto. Na izany aza, betsaka ihany no mety nisafidy hanara-drenirano rehefa hita fa tsy azo ianteherana intsony ny Filoha teo aloha sy ny vondrona matanjaka niaraka taminy, ao ireo mety mialokaloka ao anatin’ny maro an’isa sao ho voatsingoloka ny afera goavana maro. Tsy dia nampoizina loatra ohatra ny fitsimbadihan-dry Rafidimanana Désiré, Razafimahefa Tianarivelo, Randriamanampisoa Alfred,…
Toky R