Velon-taraina ireo vahoaka sy tanora ao amin'ny Kaominina ambonivohitr'i Nosy Be Hell Ville noho ny tsy fisian'ny fampandrosoana hita taratra ao an-tanànan'izy ireo , tanàna izay tena tokony handroso lavitra raha ny fanazavana azo noho ny otrikarena maro any an-toerana sy ny fahamaroan'ny mpizahatany tonga mitsidika koa. Mihitsoka noho ny tsy fahaiza-mitantan'ny Ben'ny Tanàna amperin'asa sy noho tsy fahafaliany amin'izao Fitondrana Fanavaozana izao anefa izany noho izy olon'ny mpitondra teo aloha hiringiriny. Manao izay handotoana ny Fitondrana mijoro no ataon'io Ben'ny Tanàna io fa tsy miasa hampandroso ny fiainam-bahoaka hoy ny solon-tenan'ny tanora avara-pianarana avy any Nosy Be Atoa Séverin Jaofera. . Manginy fotsiny ny kolikoly mampikolay ny maro amin'ny resaka adi-tany miseho lany any an-toerana izay saika handrenesana hatrany ny anaran'ny Ben'ny Tanàna hoy ny fanamarihana nataon'ny mponina . Mangataka ny Fitondrana Fanavaozana hijoro eo anatrehan'izany ny vahoakan'i Nosy Be Hell Ville mba hijery akaiky ny zava-misy iainan'ny vahoaka ao amin'ity Kaominina ity sy mba hametrahana PDS hitantana ny Kaominina koa mba hisitrahan'izy ireo Fampandrosoana tsy mitanila marina toy ny an'ireo kaominina hafa .
Pati
Légende : Izy no Atoa Séverin Jaofera, tanora zanak'i Nosy Bé hell ville !
Nifarana ny fitsidihana ofisialy