iray omaly, nangataka fialokalofana ara-politika na « demande d’asile » ao Frantsa ny Praiminisitra teo aloha Ntsay Christian sy ny Loholona teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Izy ireo izay nitsoaka teto Madagasikara rehefa nahita fa hirodana ny Fitondrana Rajoelina. Ny Praiminisitra teo aloha dia nandeha fiaramanidina manokana niaraka tamin’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga niazo an’i Maurice ny alin’ny 11 oktobra 2025, raha tsy dia mazava kosa ny fotoana nialan-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy teto, izay tombanana ho efa talohan’io. Fanaon’ireo mpanao politika Malagasy sasany ny mialokaloka any ivelany tahaka izao rehefa avy nanao ny tsy mety teto, ary saika i Lafrantsa amin’ny ankampobeny no ialokalofana. Asa na hahazo fahazoan-dalana hialokaloka na tsia fa hatramin’izay aloha toa tsy nisy olana !? Na ny Filoha teo aloha izay lasa nitsoaka aza moa, dia niparitakany filazam-baovao nilaza fa ny tafika Frantsay no naka azy teto rehefa nandeha fiaramanidina tao Sainte Marie, ary tany no noraisina ? Toa efa niomana ny hitsoaka ny ankamaroan’ireo mpitondra ambony teo aloha, izay heverina fa tsy vitsy no efa nametraka ny ampahan’ny hareny sy ny fananany any ivelany. Rehefa miova ny fifandanjan-kery ara-politika na « rapport des forces » dia miverina eto, toy ny madio mangatsakatsaka, tsy misy fitohizan’ny fanenjehana,… Maro ireo namoahana didy tsy fahafahana mivoaka ny sisin-tanin’i Madagasikara saingy tafatsoaka ny Firenena. Anisan’ny voalaza fa tsy eto intsony ny ben’ny tanànan’Antananarivo teo aloha Atoa Naina Andriantsitohaina sy ny maro hafa. Ho an’ireo eto an-toerana. Atoa Mamy Ravatomanga moa atsy Maurice dia sasatry ny tratry ny fandavana ny fangatahana fahafahana vonjimaika, raha ny vaovao omaly. Ireo hafa toa an-dry Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard Filohan’ny Antenimierandoholona teoaloha sy ny Depiote Sahondrarimalala Marie Michelle kosa dia voalaza fa nihaona tamin’izy ireo ny iraka manokan’ny Vondrona Afrikanina Mohammed Idriss Farah.
Toky R