airtel

Politique

15-déc-2025

OLANA ARA-TSOSIALY

Nidina ifotony nanao fakan-kevitra ny GEN Y

Sample post image

Nidina ifotony nanao fakan-kevitra mikasika

15-déc-2025

ny olana sedrain'ny mponina ao anatin'ny distrikan'Antananarivo fahaefatra ny GEN Y tarihin'ny filohany Randriantsoa Lova. Ankoatra ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka mantsy dia anisan'ny antom-pijoroan'izy ireo sy hitondrany fanavaozana ihany koa ny resaka fahadiovana sy fahasalamana ho an'ity Boriborintany iray ity, indrindra amin'izao fotoam-pahavaratra izao. Nambaran-dRandriantsoa Lova fa ireo soso-kevitra fohy ezaka sy lavitr'ezaka natolotry ny mponina dia hoateriny eny anivon'ny kaominîna Antananarivo renivohitra sy ny Ministera ary ireo rantsa-mangaika maro isan-tsokajiny ho fanampiana ny Fitondram-panjakana mijoro. Tanjon'izy ireo ny hahatongavan'ireo tena maharary ny mponina eny am-pelatanan'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Nanatanteraka fihaonambe tetsy Anosibe Boriborintany fahaefatra ireo mpikambàna afak'omaly Sabotsy 13 Desambra.
Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon' ny GEN Y Antananarivo IV tarihin'ny filohany Randriantsoa Lova !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap