fandrangarangana hery fa tsy maintsy mandresy,… nataon’ny olon’ny Fitondrana volomboasary tato ho ato. Raha fotoana heverina fa tokony hitandreman’ny Mpitondra ankehitriny izao, dia toa ny mifanohitra amin’izany no mitranga satria arakaraka ny maha ratsy toerana azy ireo no vao mainka misy mandrehitra afo izany. Niteraka fahasosorana ny kabarin-dry Depiote Jocelyne Rahelihanta niendrika fanavakavahana ara-poko sy fihaviana tamin’ny hoe: “mipodiana ianareo, tsy ianareo boaka atimo any no ankadala anaty aty Avaratra”. Nisy ihany koa ny kabary niantso fitsaram-bahoaka nataon’ny Filohan’ny Vondrona Parlemantera IRD tany Port Berg Depiote Velontsara Paulbert, ankoatra ny fanaratsiana ranoray an’i Marc Ravalomanana sy Siteny Randrianasoloniaiko. Nitohy tamin’ny fandravana fananan’olona niteraka adihevitra hoe: tena zo sy fahefan’ny depiote ve ny mandrodana trano na tambohon’olona? Tahaka izany ihany koa ny tranga tany Vohibato izay ny kolonely Martin depiote IRD no voatonontonona hatreny amin’ny fitsarana ho nanome vahana ny fitsaram-bahoaka nahafatesana olona telo. Nipoitra ihany koa ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena momba ny fananganan-tsaina, izay niteraka adihevitra sy fanakianana maro samihafa satria nosokajiany ho tsy tia tanindrazana sy fahavalom-pirenena izay manentana ny olona tsy hanangan-tsaina. Ankoatra ireny, ny depiote Naivo Raholdina fa efa nanitrikitrika fa azo antoka 500% ny ho fandresen-dRajoelina fa ny hahazoana azy ao anatin’ny fihodinana voalohany sisa no tanjona,… Mbola nohamafisin’ny Mpanolontsaina ara-politikan’ny Filoham-pirenena Atoa Soja Jean André na Kaleta ihany koa fa: “Rajoelina tsy maintsy mandresy na tianao na tianao", ... Ny Filoham-pirenena moa matetika no milaza mivantana na ankolaka fa tsy maintsy mandresy. Mbola vao aty amin’ny ankatoky ny fifidianana dia efa mandeha ny gafigafy sy hetraketraka politika atao amin’ny mpanohitra, ny fanenjehana sy fanagadrana,… Mieritreritra ho tena mbola ao anatin’ny tanjaka ve ny Fitondrana ankehitriny eo anatrehan’ny tsy fahombiazany kanefa ny ao anatiny aza no efa misy miampanga azy? Taratr’izany ny fisintahan’ny olom-boafidy sasany izay manatsikafona tanteraka ny fitondrana napetrany, ny krizin’andrim-panjakana hita taratra eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny goveremanta, ny fitantanana ny raharaham-panjakana mikorontana raha tsy hilaza afatsy io resaka tetibolam-panjakana io.
Toky R
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia