airtel

Politique

30-janv-2026

Patrick Raharimanana

"Efa nisafidy hanaraka

Sample post image

ny lalàmpanorenana isika!

30-janv-2026

tsy mitombona ny hoe hanao "feuille de route !" Nitondra ny heviny manoloana ny adihevitra politika hametrahana tondrozotra hitantanana ny Firenena izay voizin'ny antoko sasany i Patrick Raharimanana Mpanolotsaina maharitry ny Praiminisitra omaly. Aminy, efa niditra amin'ny hoe hanaraka ny lalàmpanorenana isika, ary nisy mihitsy fianianana nataon'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika natrehan'ireo Fikambanana sy Solontenan'ny sehatra iraisam-pirenena ahafahana mitondra an'i Madagasikara ao anatin'ny fanarahana an'izay lalàmpanorenana izay, ka io no mamaritra ny fitantanana ny Firenena ankehitriny. Mbola ny lalàmpanorenana ihany koa, hoy izy, no nanendry ny Praiminisitra tamin'ny alalan'ny fanolorana avy amin'ny Antenimierampirenena, izany hoe narahina avokoa ny paikady sy ny fepetra voasoritr'izay Lalàmpanorenana izay. Nametraka ny Politika ankampoben'ny Fanjakana na ny PGE sy ny drafitra fanatanterahana ao anatin'ny roa ihany koa ny Praiminisitra, ka tokony ho izay izany ny tondrozotra na "feuille de route" hitondrana ny Firenena fa tsy hamorona "feuille de route extra-constitutionnel", fa ny mpanao politika moa no misarika ilay izy hivoaka amin'izany, hoy i Patrick Raharimanana. Nambarany fa ny lalàmpanorenana amin'izao izay mbola itondrana ny Firenena ankehitriny no hizorana any amin'ny fanavaozana satria mbola hisy ny dinika nasionaly na fikaondoham-pirenena izay ilazana azy eo. Efa nametraka Minisitra natokana ho an'ny fanavaozana rahateo ny governemanta, ary ny Filohan'i Madagasikara amin'izao dia Filohan'ny fanavaozana, ka mazava be hoy i Patrick Raharimanana hoe: inona intsony no mbola ilana "feuille de route" amin'izany kanefa efa misy Filohan'ny fanavaozana, misy minisi-panjakana manatanteraka ny fanavaozana, misy Praiminisitra manatanteraka ny PGE,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap