airtel

Politique

07-juil-2026

Penjy Randrianarisoa

"Fitsarana madio no

Sample post image

iorenan'ny fampandrosoana"

07-juil-2026

Tanterahina eny amin'ny hotely Sheraton Ivato mandritra hefarana nanomboka omaly ny Fikaonan-dohan'ny fianakaviamben'ny Fitsarana Malagasy. Isan'ireo nandaha-teny nandritra ny lanonam-pakokafana, omaly, ny Ben'ny tanànan'Ivato, Penjy Randrianarisoa. Nambarany fa "Rehefa madio sy mahitsy ny Fitsarana dia matoky ny fanjakana ny olom-pirenena, ary izany no iorenan'ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana". Namafisin'ny Ben'ny tanàna ihany koa fa ny : "Ny Kaominina Ivato iadidiany dia manamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny Fitsarana sy ny Fanjakana amin'ny fanamafisana ny fanjakana tan-dalàna, amin'ny ady amin'ny kolikoly, amin'ny fanajana ny zon'olombelona ary amin'ny fanabeazana ny olom-pirenena ho tia sy hanaja lalàna". Nanokatra ity Fihaonamben'ny tontolon'ny Ministeran'ny Fitsarana ity ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombon-kasem-panjakana, Fanirisoa Ernaivo sy ireo tomponandraikitry ny Fitsarana isan-tsokajiny.
Jean D.
Penjy Randrianarisoa, Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ivato - Ambohidratrimo
 

Dans la même rubrique

12-oct-2026

Mila mahatsapa fiovana tsara

Card image cap
09-oct-2026

teto, nofy ratsy ho azy mianakavy…

Card image cap
09-oct-2026

Miroso hatrany amin’ireo asa

Card image cap
09-oct-2026

Manentana ny herivelona rehetra hifanatona

Card image cap
09-oct-2026

hamafisina ny fanorenana!"

Card image cap