airtel

Politique

07-juil-2026

Penjy Randrianarisoa

"Fitsarana madio no

Sample post image

iorenan'ny fampandrosoana"

07-juil-2026

Tanterahina eny amin'ny hotely Sheraton Ivato mandritra hefarana nanomboka omaly ny Fikaonan-dohan'ny fianakaviamben'ny Fitsarana Malagasy. Isan'ireo nandaha-teny nandritra ny lanonam-pakokafana, omaly, ny Ben'ny tanànan'Ivato, Penjy Randrianarisoa. Nambarany fa "Rehefa madio sy mahitsy ny Fitsarana dia matoky ny fanjakana ny olom-pirenena, ary izany no iorenan'ny fandriampahalemana sy ny fampandrosoana". Namafisin'ny Ben'ny tanàna ihany koa fa ny : "Ny Kaominina Ivato iadidiany dia manamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny Fitsarana sy ny Fanjakana amin'ny fanamafisana ny fanjakana tan-dalàna, amin'ny ady amin'ny kolikoly, amin'ny fanajana ny zon'olombelona ary amin'ny fanabeazana ny olom-pirenena ho tia sy hanaja lalàna". Nanokatra ity Fihaonamben'ny tontolon'ny Ministeran'ny Fitsarana ity ny Minisitry ny Fitsarana sady mpitahiry ny fitombon-kasem-panjakana, Fanirisoa Ernaivo sy ireo tomponandraikitry ny Fitsarana isan-tsokajiny.
Jean D.
Penjy Randrianarisoa, Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ivato - Ambohidratrimo
 

Dans la même rubrique

09-juil-2026

fifidianana ireo manakorontana ireo!»

Card image cap
07-juil-2026

eny amin’ny fokontany

Card image cap
07-juil-2026

Kaominina amam-polony maro manerana

Card image cap
07-juil-2026

raharaham-pirenena ny mpamatsy vola"

Card image cap