airtel

Politique

24-janv-2025

Pimaso amin’ny mpitandro ny filaminana

Raikitra ny fankasitrahana an’ireo be galona…

Sample post image

Niradraraka ny fankasitrahana ho an’ireo tompon’andraikitra ambony sasantsasany eo anivon’ny

24-janv-2025

zandarimariam-pirenena. Nolanian'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny alin’ny alakamisy 22 janoary teo mantsy ny fanomezana "bonification d'ancienneté de port de grade" ho an'ireo Manamboninahitra ambony sy Manamboninahitra lefitra iray eo anivon'ny zandarimariam-pirenena ka tafiditra tao anatin’io ny LCL RAOILIJON Tojomalala kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena, fantatra tamin’ny fitarihana hetsika nentina nandravana ny fihetsiketseham-bahoaka samihafa teto Antananarivo sy ny manodidina; CEN RABARIJAONA Nantenaina Fabrice; CEN MAHAVIHASINA Daudet; CNE RAKOTONINDRINA Rijanantenaina Alain. Tahaka izany ihany koa ny COL RAVELOMANANA Valona Tahina Lehiben’ny Sampana misahana ny fikarohana heloka bevava etsy Fiadanana; CNE RANDRIANASOLO Joachin Joseph Ferdinand. Nahazo an’izay ihany koa ny LCL FANEVARISON Onimihary Ralaiavy izay nalaza tamin’ny resaka hetsika fampandrian-tany, nitarika ny iraka tany Ankazobe sy Anjozorobe, isan’ny nitarika ny fifehezana ny hetsika politika teto Antananarivo ny faramparan’ny taona 2023, nafindra niandraika ny Groupement any Menabe ny taona 2024,… Nahazo an’io « bonification d’ancienneté de port de grade » ihany koa ny CNE RAMAROSON Zo Andriamalala. Zava-dehibe ny fankasitrahana, ary fanao izany ho an’ireo mendrika hanaovana an’izany. Somary mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ihany anefa hoe : Satria avy nomena volabe ireo mpiasan’ny fadin-tseranana dia mba omena ny anjarany ihany koa ny mpitandro filaminana ? Fifandrifian-javatra ve ny nanaovana izany ao anatin’izao vanim-potoana somary mampamivay ny politika izao sa fanohizana ny pimaso an’ireo manamboninahitra ? Tsapa sy tsikaritra rahateo ny famondronana sy fanomezana toromarika ireo rantsana samihafa eo anivon’ny mpitandro ny filaminana noho ny krizy sy ambana politika, ny famoriana sy famondronana ireo tompon’andraikitra ara-pibaikoana samihafa avy any amin’ny Faritra, ny toromarika amin’ny fifehezana politika, ny fanetsehana hifehy ny toe-draharaha toy ny tao Toamasina, Betroka, ny kabary hafahafa nataona manamboninahitra efa misorotro rono,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap