airtel

Politique

10-déc-2024

Politika roritina amin’ny foko sy fihaviana

Efa nilaozan’ny toetr’andro, mampisara-bazana !

Sample post image

Nanamarika ny fampielezan-kevitra nandritra ny 20 andro ny firesahana foko sy fihaviana.

10-déc-2024

Isan’ny nanamarika izany ny kabarin’ny depiote iray izay nilaza fa ny kandida tohanany tena zanak’Antananarivo fa misy kandida hafa misandoka ho zanak’Antananarivo. Dia taty amin’ny telo andro mialoha ny latsabato ka ilay kandida izy tenany mihitsy no nilaza hoe: tanora avy eto Iarivo, Merina avy eto Antananarivo, no tokony hitondra an'Antananarivo. Tsy manana olana amin’ilay kandida isika fa kosa mametra-panontaniana hoe : aty amin’ny taona 2024 ve dia mbola misy fivoizana resaka foko sy fihaviana amin’ny lafiny politika? Angaha tsy iray ihany ny Malagasy ? Mety ho reharehan’ny tsirairay ny miteny sy miresaka hoe : avy atsy na aroa, mirehareha amin’ny maha izao na izao,… fa ny filalaovana an’izany amin’ny tombotsoa politika kosa dia miendrika sy maneho firefarefana tanteraka. Rehefa lany amin’ny toerana iray ny olom-boafidy dia solontenan’ny vahoaka rehetra monina ao amin’ny toerana iadidiany fa tsy solontenana foko iray. «… Rarana ny fikambanana sy ny antoko politika izay manohintohina ny maha iray tsy mivaky ny Firenena sy ny foto-kevitra Repoblikanina sy izay manavakavaka ny fihaviana ara-pirazanana, na ara-poko, ara-pinoana…», hoy ny ampahan’ny voarakitry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-14. Misy lalàna ve miresaka sy mandrara fa tsy tokony ho kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo ny olona tsy teraka teto ? Betsaka ny toerana azo sokajiana ho « cosmopolites » na ahitana ireo mpiavy sy mpila ravinahitra avy amin’ny lafivalon’i Nosy ka tsy azo antsoina ho mponin’Antananarivo ? Dia mbola tsiahivina foana, fa raha handray ohatra any ivelany isika, ny ben’ny tanànan’i Londres sadiq khan izay efa miditra taom-piasana faharoa dia manana fihaviana karana. Ny Filohan’i Etazonia teo aloha Barack Obama anie ka manana fihaviana Kenianina. Raha miverina eto Antananarivo, efa depiote nofidiam-bahoaka teto anie izany Monja Jaona izany! Efa depiote voafidim-bahoaka teto ani’ izany Dama Mahaleo izany! Dia amin’izao vaninandro izao ve isika no mbola hampirefarefa amin’ny politika miendrika fifanavakavahana hivoizana resa-poko sy fihaviana mba hitadiavan-tseza ? Iray ihany ny Malagasy ary an’ny Malagasy rehetra Antananarivo izay renivohitry ny Firenena !
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,

Card image cap
13-juin-2025

Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,

Card image cap
13-juin-2025

Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na

Card image cap
12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap