airtel

Politique

01-juil-2026

PR JOSEPH

-RAHARAHAM-PIRENENA

Sample post image

Tena Malagasy ny mpitondra

01-juil-2026

antsika fa tsy ilay manana 8 cm »
Naneho ny heviny mikasika ny Fetim-pirenena 26 Jona ny Pr Joseph mpandinika raharaham-pirenena no sady mpanompon'Andriamanitra. Niavaka tsy toy ny isan-taona ny fankalazana hoy izy noho ny fanaovana fitafiana mahamalagasy ka isaorana an'Andriamanitra feno. Nilamina koa ny fandriampahalemana nandritra ny andron'ny 25 Jona sy ny 26 Jona izay fotoana nanatanterahana ny fetim - pirenena Malagasy sy ny Matso lehibe izay tsy nandraisan ' ireo tafika vahiny anjara. Izany rehetra izany no midoika hoy izy fa tena filoha Malagasy tsy manana ilay taratasy 8 Cm no mitondra an ' i Madagasikara ankehitriny. Nisaorany ny Filoham-panjakana sy ny ekipany noho ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy tamin ' ny famoahana ireny " Bus Foton " ireny nandritra ny fotoana nitokonan ' ireo " Taxi - be " sy nandritry ny fankalazana ny fetim - pirenena. Heverina fa tena rariny sy hitsiny ireny fandraisana fanapahan - kevitra nataon ' Atoa filoha Michaël ireny, izay tokony ho tohizana hoy Pr Joseph satria tena nahavonjy olona maro ! Ekena fa ny fitondrana Rajoelina no nividy ireo " Bus Foton " ireo, saingy volam - bahoaka no nividianan - dRajoelina azy ireny, koa rariny raha toa ka hampiasaina hatao fitateram - bahoaka izy ireny, na dia tsy hankasitrahan ' ireo mpomba an - dRajoelina aza. Fa mifanindry an - dàlana amin ' izany ihany koa ny fitokanana ireo foto-drafitrasa izay mampimenomenona ireo mpomba an - dRajoelina, ka mahatonga azy ireo mahasahy mamingavinga an ' Atoa filoha Michaël Randrianirina mihitsy aza, saingy tonga amin’ilay hoe ny iray mamafy, ary ny iray kosa mijinja, araka ilay hoe izaho naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo. Notsiahiviny fa mangetaheta ny tena fahaleovan - tenam - pirenentsika isika vahoaka Malagasy. Eo anatrehan ' izany hoy izy dia miainga amintsika vahoaka Malagasy rehetra no hahazoantsika izany fahaleovan - tena izany, fa tsy miankina amin ' izao fitondrana izao irery ihany, ka tsy misy afa-tsy ny fanatanterahantsika rehetra ny sitrapon ' Andriamanitra irery ihany no ahatongavana amin’izany.
Pati Légende : Ny Pr Joseph mpandinika raharaham-pirenena sady mpanompon'Andriamanitra !
 

Dans la même rubrique

21-juil-2026

io na 6 taona aza vao vita»

Card image cap
21-juil-2026

Mampametra-panontaniana mihitsy

Card image cap