fanambarana nataon 'ny vondrona SADC izay nilaza fa hoe : avoahy ireo gadra politika, ary avelao hody ireo sesitany ny Pr Joseph mpandinika raharaham-pirenena. Raha ny marina hoy izy dia tsy misy gadra politika izany eto fa tamin 'ny fitondran ' i Andry Rajoelina no nisy mpanao politika maro nogadrainy satria nanelingelina ny tombotsoany, ary nisy mihitsy aza ireo izay tsy navelan - dRajoelina raha tsy maty toan - dry Ninie Donia, nisy koa ny tapaka lalan - drà , kanefa toa nikombom - bava ny SADC ? Fa ankehitriny, rehefa mandray ny andraikiny ve ny Minisitry ny fitsarana sy ny fitondrana ho amin ' ny fanavaozana noho ny zavatra tsy nety nataon - dRajoelina sy ny forongony, toy ny halatra sy ny fanaovana tantely afa - drakotra ny harem - pirenena ary ny vonoan 'olona sy ny fanodikodinana volabe 4000 Miliara Ariary, dia manangam - bovona ny SADC ? Izany ve tsy toy ny hoe : Miray tsikombakomba amin 'ny ratsy hianareo eo anivon 'ny vondrona SADC ? Tokony handinika ihany hianareo ny amin ' izany. Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, dia samy fahavetavetana eo imason ' i Jehovah, hoy ny ( Ohabolana, 17 ; 15 ) . Fa etsy andanin ' izay, dia mitaky fampihavanam - pirenena sy fampandraisana anjara ho an 'ny rehetra ny amin 'ny fikaonandoham - pirenena izay ho tontosaina eto Madagasikara ny vondrona SADC. Ny amin 'ny hoe : fampihavanam - pirenena aloha, dia efa nanao sy niantso ny amin ' izany ny Raiamandreny F.F.K.M, ary tsy sasatra nitaona an - dRajoelina, fa tsy norarahiany, ary nomeny lamosina ireo Raiamandreny aram - panahy ireo, koa inona intsony moa no hihavanana amin 'ny olona miavonavona sy tsy tia fihavanana toy izany hoy ny Pr Joseph.Noho izany, dia iny nihafara tamin 'ny faharavana sy fitsoahana nankany Dubaï iny sisa no nanjo an - dRajoelina, satria matahotra ny higadra izy, araka ilay tenin ' i Jesosy izay voasoratra ao amin 'ny (Matio, 5 ; 25 - 26) manao hoe : Mihavàna faingana amin ' ilay manana ady aminao, raha mbola miara - dia aminy ianao, fandrao ilay manana ady aminao hanolotra anao amin 'ny mpitsara, ary ny mpitsara kosa hanolotra anao amin 'ny miaramila, ka hatao ao an - tranomaizina ianao. Lazaiko aminao marina tokoa : Tsy ho afaka ao mihitsy ianao, ambaram - pandoanao ny variraiventy farany indrindra. Koa eo anatrehan ' izany, dia aleo i Rajoelina ho any, satria tsy tia fihavanana ; sady tsy tokony ho hampandraisina anjara akory amin ' io fikaonandoham - pirenena Malagasy io, satria tsy manana zom - pirenena maha Malagasy azy intsony, sady efa notsindrian 'ny filoham - panjakana, ny Kolonely Michaël Randrianirina rahateo izany hoy hatrany izy.
Pati
Légende : Pr Joseph !
Nifarana ny fitsidihana ofisialy